Fandalinana ny Bokin’i JOSOA.
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Septambra 2018
Fandalinana ny Bokin'i JOSOA.
JOSOA 5.1-12
1 Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany*, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [*Na: (mandra-pitantsika)] 2 [Ny namorana ny olona izay nateraka tany an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan'ny mana] Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely. 3 Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota. 4 Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta. 5 Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa. 6 Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. 7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana. 8 Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany. 9 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala* mandraka androany. [Gilgala = Fanakodiavana] 10 Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay* any Jeriko.[Heb. Arabà] 11 Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango. 12 Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.Fandalinana ny Bokin’i JOSOA.
JOSOA 5.1-12
Takila vaovao eo amin’ny tantaran’ny firenena voafidy no misokatra eto anatrehantsika eto :
–GILGALA , izay midika hoe:‘fanakodiavana » no natao anaran’ny toerana voalohany nidiran’ny Zanak’ Israely tao amin’ny tany Kanana , araka ny Tenin’ny Tompo eo amin’ny and 9. Dikany : Nandresy ny Tompo sy ny Fiangonany , na toa ela aza vao tonga . Mahareta!
-Nitsahatra ny MANA, izay sakafon’ny zanak’ Israely tany anefitra , fa nanomboka nihinana voalohany ny vokatry ny tany Kanana izy ireo ny ampitson’ny Paska voalohany nankalazainy tao Kanana. Dia tsaroantsika amin’izany ny santatr’izay nosoratan’i Paoly aty aoriana hoe: »efa lasa ny zavatra taloha , indreo efa tonga vaovao ireo »(2 Kor 5.17). Efa marina aminao tokoa ve izany ?
2-Fanekena vaovao
Ny famorana araka ny nanorenan’ny Tompo azy(Gen 17.10)dia mariky ny fanekeny .Izao famorana faobe natao tamin’ny taranaka vaovao izao no mariky ny fanavaozam-panekena eo amin’ny Tompo sy ity taranaka ity.Ho antsika dia i Jesoa no nentin’ Andriamanitra nanavao izany fanekena izany , raha hoy Izy teo amin’ny fanorenana ny Fanasan’ny Tompo hoe: »Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny Rako »(Lio 22.20). Ianao izay Mpandray,vita fanekena marina Aminy ve ianao?