Fandalinana ny Bokin’i Josoa

Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Septambra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa

JOSOA 8.14-29
14 Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany* nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna. [Na: fotoana] 15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny lalana mankany an-efitra. 16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an'i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna. 17 Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy. 18 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany. 19 Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin'ny afo. 20 Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory , na ho et?, na ho er?; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa. 21 Fa rehefa hitan'i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay. 22 Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. 23 Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa. 24 Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra. 25 Ary izay rehetra maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay. 26 Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana* ny mponina rehetra tao Ay.[Heb. herema] 27 Nefa ny biby fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanàna izany dia nalain'ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa. 28 Ary Ay dia nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy. 29 Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 8.14-29

1-Narahina ny tetikadin’ny Tompo

Hitantsika  eo amin’ ny and 14-17 izany . Izay natoron’ny Tompo  no nitarihan’i Josoa ny  olona .Niseho tokoa izay nampiomanin’ny Tompo : nivoaka hanenjika  azy ireo ny tao Ay sy Betela . Marina  sy azo itokiana ny Tenin’ny Tompo ary tsy misy diso ny zavatra nambarany . Aoka hiorina  ao am-pontsika izany  fahamarinana izany .

2-Narahina ny fandaminan’ny Tompo  

Rehefa tonga ny  fotoana dia ny Tompo ihany no nanome ny baiko hoe : « atondroy an’i Ay ny lefona »(and18) . Nataon’i Josoa  izany dia nisosa  ny zavatra rehetra ary azo ny fandresena tanteraka. Zava-dehibe io fiandrasany fotoanan’ny Tompo io , fa indraindray isika tsy miandry baiko fa tonga dia lasa .

Zava-dehibe koa ny fihainoany ny  Tompo . Ankehitriny dia ny Soratra masina  no fanilon’ny tongontsika sy fanazavana ny làlantsika (Sal 119.105). Raha manaiky hamaky sy handinika ary hanaraka  ny voasoratra isika dia hohitantsika ny fandresena . Ny mampalahelo  dia izao : be ady atrehina isika , fa mazàna no tsy vonona hanaraka  ny Tenin’ Andriamanitra , ka resy. Mpitari-tafika tena mahay azontsika itokiana feno anefa ny Tompo .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .