Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 8.30-35
30 [Ny nanoratan'i Josoa ny dikan'ny lalàna tamin'ny vato, sy ny namakiana ny fitahiana sy ny fanozonana teo an-tendrombohitra Gerizima sy Ebala] Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, 31 araka izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana. 32 Dia nosoratany teo amin'ny vato ny dikan'ny lalàn'i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely. 33 Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely. 34 Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàna. 35 Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 8.30-35
1-Tsy nohadinoina ny teny efa re
Miverimberina eto ny hoe: »araka ny nandidian’i Mosesy » (and 30,33,35). I Josoa dia namelan’i Mosesy hafatra ary hitantsika eto fa tsy nataony raraka an-tany izany hafatra izany fa izao notanterahiny izao .Enga anie mba ho toy izany no hataontsika ny amin’ny Tenin’ Andriamanitra ampitondrainy ny mpanompony amin’ny toriteny sy fampianarana samihafa.
2-Nosoratana indray ny lalàna .
Ny fanoratana indray ny lalàn’i Mosesy teo amin’ny vaton’ny alitara natao dia firaketana izany Tenin’ Andriamanitra izany . Zava-dehibe ny teny voasoratra toy ny Baiboly eo an-tànantsika , fa ao am-pontsika indrindra no tokony hiraketana ny Tenin’ ny Tompo mba tsy hanotantsika Aminy (Sal 119.11).
3-Novakiana manontolo ny tenin’ny lalàna
Mahaliana izany, indrindra ho antsika izay matetika no zatra mamaky ampahampahany amin’ny Soratra masina. Ilaina ny mamaky azy manontolo .
4-Nohenoina ny ozona sy ny fitahiana
Tena mamintina ny hafatra raketin’ny lalàna ireo fitahiana ho an’izay manaiky sy vonona hankato azy , fa ozona kosa ho an’izay mafy fo sy sofina tsy mety mihaino . Antsika tsirairay avy ny safidy.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra », Boky 2
Antananarivo 2014