Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa 

JOSOA 9.17-27
17 Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka tonga tany an-tanànan'ireo tamin'ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tanànany. 18 Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra. 19 Fa hoy ny loholona rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika. 20 Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy. 21 Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy. 22 Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo? 23 Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro ianareo. 24 Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany; 25 koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy. 26 Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo. 27 Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 9.17-27

1-Maika loatra ka voa.

Maika loatra ny nanaovan’i Josoa fanekena tamin’ireto Gibeonita ireto, ka lalana 3 monja avy teo amin’ny nisy azy dia tonga teo amin’ny tanànan’ireo Gibeonita rizareo. Teo vao kepoka fa hay voafitaka .Ny firotorotoana foana dia mety hanenenana tokoa fa hanaovana fahadisoana lehibe. Makà fotoana hanontaniana tsara ny Tompo vao manapa-kevitra na amin’ny asa hatao , na làlan-kaleha  , na fitiavana irosoana.

2-Efa nianiana ka tsy afa-mivadika 

Misy toetra tena tsara nananan-dry Josoa dia ny fanajana ny teny nomena. Fa mba firy amintsika moa no tena mahatana ny fanekena samihafa nataontsika  tamin’ny Batisa , fanokanana ho mpandray , ho diakonina , ho mpiandry , ho mpitandrina  na tamin’ny mariazy?

3-Efa diso fa mahay mamaha olana 

Tsy resin’ny fimonomononana na nentin-katezerana foana ry Josoa fa mikaroka vahaolana ka nataony mpikapa hazo sy mpantsaka  ireo Gibeonita . Ary vahaolana tsara izany satria tsy olon-dratsy fa olona « natahotra ny ho faty » (and24) ireo . Enga anie mba hahay handositra ny fahafatesana toy izany  avokoa ny mpanota ka hikaroka ny  fomba rehetra hidirana amin’ny finoana an’i Kristy , ilay hany ody faty azo antoka.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2