Fandalinana ny Bokin’i Josoa
Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Oktobra 2018
Fandalinana ny Bokin'i Josoa
JOSOA 11.1-11
1 [Ny nandresena ny mpanjaka rehetra any Kanana Avaratra, sy ny nahazoan'ny Isiraely ny tany Kanana rehetra] Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa, 2 ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay* atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka** ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana, [*Heb. Arabà][**Heb. Sefela] 3 dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa. 4 Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra. 5 Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma. 6 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny. 7 Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy. 8 Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 9 Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo. 10 Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny. 11 Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany* avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]Fandalinana ny Bokin’i Josoa
JOSOA 11.1-11
1-Any avaratra indray izao
Naman’ny vita ny ady tany atsimo. Niatrika ny tany avaratra ry Josoa eto.Tsarovy fa tsy maintsy mandroso isika . Tsy mbola vita ny ady. Isika koambola ety an-tany fiadiana isika.
2-Toa goavambe ny fahavalo(and1-4)
« olona marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany », hoy ny teny eto(and4).Ary izany matetika no endrika ahitantsika ny ratsy, toa marobe, mahery be. Ary indraindray aza dia misy kristiana miteny hoe:mahery i satana ». Eny , tsy fahavalo kely akory no hifamandrihantsika.
3-Inoy ny Tenin’ Andriamanitra ( and 6)
Saingy na toy inona na toy inona herin’ny fahavalo sy herin’i satana , aza mijery izany . Henoy ny Tenin’ Andriamanitra manao aminao hoe : « aza matahotra azy » (and6). Raiso amin’ny finoana izany fanomezan-toky tsy mamitaka izany .
4-Miadia sy mankoava (and7-11)
Izany no nataon’i Josoa teto : nirahina hiady izy dia nandeha niady. Na vonona hampandresy aza mantsy ny Tompo , tsy maintsy manao ny anjarantsika koa isika , saingy ny fepetran’ny Tompo no narahiny fa tsy izay tiany hatao akory no nataony. Toetra lehibe io. Koa mahaiza mankato ny Tompo amin’ny atao.
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-2