Fandalinana ny  Bokin’i Josoa 

Mofonaina anio: Talata, faha 09 Oktobra 2018

Fandalinana ny  Bokin'i Josoa 

JOSOA  12.1-24
1 [Ny anaran'ny mpanjaka izay novonoin'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay* [Heb. Arabà] 2 Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona, [Heb. Arabà] 3 ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay* hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay*, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. [Heb. Arabà] 4 Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy, 5 sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona. 6 Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase. 7 Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany, 8 dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy amin'ny tani-hay** sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:[*Heb. Sefela][**Heb. Arabà] 9 Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray; 10 ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray; 11 ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray; 12 ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray; 13 ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray; 14 ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray; 15 ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray; 16 ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray; 17 ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray; 18 ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray; 19 ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray; 20 ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray; 21 ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray; 22 ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray; 23 ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray; 24 ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.

Fandalinana ny  Bokin’i Josoa 

JOSOA  12.1-24

1-Ny fandresena niaraka tamin’i Mosesy (and1-6)

Talohan’ny niampitan’ny Zanak’ Israely ny onin’ny  Jordana  dia efa nisy ady natao . Ny faritany  azo tamin’izany  dia nomen’i Mosesy ho lovan’ny fokon’ny Robenita sy ny Gadita ary ny atsasaky ny  fokon’i Manase . Fanomezana  avy  amin’ Andriamanitra ny  zara tamin’izy ireo ary asehon’izany  indray ilay  finoana fototra  milaza hoe: »An’i Jehovah ny tany  sy izay rehetra eo aminy » (Sal 24.1), ka izy no manome izany ho  an’izay tiany . Ny zara tanindrazantsika koa dia tena fanomezan’ Andriamanitra (Asa 17.26)

2-Ny fandresena niaraka tamin’i Josoa (and7-24)

Lisitra   lava nisy anarana mpanjaka hatrany amin’ny 31 no hitantsika  eto  amin’ity toko ity. Etsy andaniny dia vavolombelona ny fahatanterahan’ny teny fampanantenana nomen’ny Tompo  an’i Josoa tany am-piandohana izany (Josoa 1.5). Koa toky ho antsika koa izany fa mahatoky amin’ny teniny ny Tompontsika . Etsy ankilany , fanentanana antsika amin’ny adintsika tsirairay avy izany mba hanana lisitra lava hitanisana ny fandresena azontsika anie isika: fandresena ny ota, ny  lainga , ny fijangajangana , ny sampy samihafa, ny fankahalana …

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-2