Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin'i Josoa 

JOSOA 15.1-19
1 [Ny anjaran'ny firenen'i Joda] Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo. 2 Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo, 3 dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka, 4 dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo. 5 Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana, 6 dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena, 7 dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela, 8 dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita, 9 dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany), 10 dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna. 11 dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina. 12 Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony. 13 Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba*, rain'i Anàka (Hebrona izany). [Na: Kiriat-arba; izahao Jos. XV. 54] 14 Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay. 15 Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha). 16 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny. 17 Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny. 18 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao? 19 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 15.1-19

1-Voafaritra ny zara tanin’i Joda (and 1-12)

Mahavariana antsika ny  mamaky ny dinidinika saika antsipirihany mihitsy momba ny famaritana ny zara tany eto. Izany  dia porofon’ny lanjan’ny fisian’ny fandaminana matotra sy mazava eo amin’ity resaka tany ity, ka raha mba mahay miasa toy izao ny fitondram-panjakana dia ho nilamina kokoa ny fiaraha-monina.

2-Kaleba , lehilahy mahery fo (and13-16)

Voatsiahy eto indray ny amin’i Kaleba , ilay lehilahy « tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah Andriamanitry  ny Israely » ( Jos 14.14) .Hitantsika eto ny  herimpo  amam-piniavany handray toy izany « hiady » hahazoana ny lovantsika any an-danitra va ? Tsy vokatry ny ataontsika ny lanitra, saingy « rombahina ny fanjakan’ Andriamanitra »(Mat 11.12).

3-Fetsy tsara ny zanakavavin’ i Kaleba  (and 17-19)

Fantany izay hahasoa azy ary tsy nisalasala nangataka izany tamin’ny rainy izy. Ny rainy koa nanome . Mihoatra lavitra noho izany ny Raintsika any an-danitra raha mangataka Aminy isika (Mat 7.11).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-2