Fandalinana ny Bokin’i 1 Samoela
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Novambra 2018
Fandalinana ny Bokin'i 1 Samoela
1 Samoela 8.1-22
1 [Ny nangatahan'ny Isiraely mpanjaka] Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely. 2 Ary Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo. 3 Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra. 4 Ary ny loholon'ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin'i Samoela 5 ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra. 6 Fa tsy sitrak'i Samoela ny nanaovan'ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Samoela. 7 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy. 8 Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao. 9 Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy. 10 Dia nambaran'i Samoela tamin'ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain'i Jehovah. 11 Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny, 12 ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny; 13 ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo; 14 ary ny tsara indrindra amin'ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia halainy ka homeny ho an'ny mpanompony; 15 ary ny ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an'ny tandapany* sy ny tandonany.[Heb. ionoka] 16 Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany. 17 Ary halainy koa ny ampahafolon'ny ondry aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony. 18 Ary hitaraina amin'izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany. 19 Kanefa tsy nety nihaino ny tenin'i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay, 20 mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay. 21 Ary ren'i Samoela ny teny rehetra nolazain'ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan'i Jehovah kosa. 22 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny tanànanareo avy ianareo rehetra.Fandalinana ny Bokin’i 1 Samoela
1 Samoela 8.1-22
1-Mampivily ho amin’ny ratsy ny fitiavam-bola aman-karena
Kolikoly sy fitsarana miangatra no niainan’ny zanak’i Samoela vokatry ny fitiavam-bola . Tandremo tokoa fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra , ary tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna isika, fa tsy maintsy mifidy izay hotompoina(Mat 6.24;1 Tim 6.10).
2-Tsy i Samoela no lavin’i Israely fa i Jehovah
Izany no fahatsapan’ Andriamanitra ny fitadiavan’Israely mpanjaka hitoviany amin’ny firenen-drehetra. Adinontsika matetika ilay nifidy mpanompo ka dia manenjika azy ireny isika. Raha nanenjika ny fiangonana koa i Saoly dia nilaza i Jesoa fa Izy no enjehina (Asa 9.4) . Tandremo izay atao amin’ny fiangonana sy ny mpanompon’ Andriamanitra .
3-Mampanompo fatratra ny mpitondra eto amin’izao tontolo izao
Nasain’ Andriamanitra nambara tamin’ireto vahoaka mitady mpanjaka izany . Manjakazaka sy mampahory izy ireny . Tsy mba toy izany kosa i Jesoa fa tsy tonga hotompoina fa mba hanompo (Mar 10.45). Aoka ho anao ihany koa izany saina izany (Fil 2.5-11).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra