Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 22,30 - 23,15
30 [Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany. 1 Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany. 2 Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany. 3 Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho? 4 Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra? 5 Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27). 6 Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy. 7 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro. 8 Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa. 9 Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy. 10 Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova. 11 Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa. 12 [Ny namindrana an'i Paoly nankany Kaisaria mba tsy ho azon'izay efa nianiana hahafaty azy] Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly. 13 Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany. 14 Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly. 15 Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankat? aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 22. 30-23.1-15

Andeha horaisintsika eto ireto hafatra ireto:

1-Fantaro ny olona miresaka aminao sy ny làlana (and1-9)

Olona nahafantatra lalànam-panjakana i Paoly (and3). Fantany koa ny lalàna ao amin’ny Soratra Masina (and5). Araka ny and 6 dia fantany koa fa ireto Synedriona mitsara azy ireto dia Sadoseo ny sasany , Fariseo ny sasany . Arakaraka izay ny zavatra navaliny . Vokany : nisara-saina ny Synedriona ka tsy nahatazona an’i Paoly . Zava-dehibe , araka izany ny hahaizantsika ny lalàna samihafa sy ny olona miresaka amintsika.

2-Fantaro ny tena antony mbola tsy mahafaty anao (and10-11)

Ny tena antony tsy mbola mahafaty an’i Paoly dia ambara eo amin’ny and 11, mbola hitory an’i Jesoa Kristy Tompo . Toy izany koa isika , ho amin’izany no nampahomby izay rehetra nataontsika hiarovana antsika tamin’ny fahafatesana . Koa torio i Kristy!

3-Aoka ho fantatrao fa manana tetika ny fahavalonao (and12-15)

Na dia tsy nahafaty an’i Paoly aza ny fahavalony tamin’izay làlana lavalava izay , dia tsy mijanona akory izy , fa mitady tetika hatrany . Miray hina izy amin’izany ary efa mipetrapetraka avokoa ny tetika rehetra ny amin’ny hamonoana an’i Paoly . Aoka ho fantatrao koa fa tsy kivy ny devoly fahavalontsika ,mitady lalàna mandrakariva hamelezana anao : miambena!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8