Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Mey 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 8.26-40
26 Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany. 27 Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka; 28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany 29 Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. 30 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? 31 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana] 32 Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy; 33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy *? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [* Na: ny fianakaviany] 34 Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy. 36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? 37 * [* Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra] 38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. 39 Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly. 40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 8.26-40
Lesona lehibe momba ny fitoriana ny Filazantsara no omena antsika eto :
1-Ny Fanahy Masina no mpitari-tafika :
Mariho fa ny Fanahy no nibaiko an’i Filipo hitory eto (and29) .Samia isika
mivavaka mba hahaizantsika mihaino ny feon’ny Fanahy Masina sy ny
fitarihan-dàlana ataony amin’ny tafika manamasina rehetra ataontsika.
2-Ilaina ny tafika masina manokana
Ny hoe : « tafika manokana » dia fitaomana olona iray ataon’olona iray . Fomba fiasa tena mahomby izany eto fa tonga hatrany amin’ny fanaovana batisa ilay tandapan’i Kandasy mihitsy . Mivavaha mba hitarihan’ny Fanahy antsika any amin’ny olona tiany hotaomintsika koa.
3-Fomba fiasa tsara ny manatona ny olona
« Hoy ny Fanahy tamin’i Filipo :Andeha manatona ka mankanesa amin’io kalesy io »(and29). Mahazatra antsika ny manomana «fitoriana»amin’ny toerana iray dia miantso ho tonga eo . Tsy diso izany , kanefa tsarovy koa fa tena ilaina ny hoe : isika mihitsy no mandeha manatona ny olona eny amin’izay misy azy , toa an’i Jesoa tonga tety an-tany ho antsika .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8