Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Mey 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 4,23 - 37
23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana. 32 [Ny nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany. 33 Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra. 34 Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo, 35 ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy 36 Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany, 37 dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 4.23-37

Araka izay efa voalaza teo aloha dia tena zava-dehibe eo emin’ny fiainan’ny fiangonana ny fiombonana. Izany no anton’izao tatitra sy fampizarana ny zava-nanjo an’i Petera sy i Jaona izao (and23).

Tatitra ho amin’ny ainga vao

Ilaina eo amin’ny fiainam-piangonana ny tatitra . Ny tanjona dia ny hijerena ny fomba fiasa vaovao mba handrosoana bebe kokoa hatrany .

Ny fahaizana mijery ny tenin’ny faminaniana

Isan’ny antony nanosika ny Apostoly handroso hatrany ny fahalalany ny Soratra Masina milaza io tranga vao nolalovan’i Petera sy Jaona io (and 25,26) , ary hainy ny nampifandray ny fahatanterahan’izany amin’ny zava-nisy (and27).

Tolona am-bavaka no fitaovam-piadiana

Mizara ro miavaka tsara ny vontoatim-bavaka :

1-Natolotra eo an-tànan’ny Tompo ny fandrahonana nataon’ny fahavalo ny Apistoly (and29).

2-Nangataka hery sy fahaahiana no hiroso amin’ny fitoriana ny Filazantsaran’ny Famonjena (and 29). Ataovy tonga eo an-tànan’ny Tompo ny adinao fa Izy no hanamarina sy hampandresy anao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8