Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Mey 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 5.1-11
1 [Ny amin'i Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, 2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly. 3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? 4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra. 5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. 6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny. 7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. 8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. 9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy. 10 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy. 11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 5.1-11
Fampianarana lehibe 3 no raisintsika eto :
1-Tandremo ny lainga
Nandainga i Ananiasy sy i Safira . Tsy manontolo no nomeny , nefa sahiny ny nilaza fa izay daholo ny vidin’ny taniny rehetra. Fahafatesana no vokany . I Jesoa dia nilaza fa ny devoly no rain’ny lainga (Jao 8.44). Tandremo , fa tsy misy « lainga masina ».

2-Tandremo ny mpivady miray tsikombakomba
Tena tsara ny hananan’ny mpivady firaisan-tsaina , nefa raha firaisan-tsaina amin’ny ratsy , amin’ny lainga toy ny hita eto ia tena mampidi-doza , ka tandremo. Izay mahalala , sahia mijoro ! Raha ianao vehivavy tahaka an’i Abigaila no mahalala ny marina , mijoroa! (1 Sam 25.3).
3-Tandremo fa Andriamanitra ny Fanahy Masina
Nambaran’i Petera eo amin’ny and 3 fa « nandainga tamin’ny Fanahy Masina » i Ananiasy . Lazainy eo amin’ny and 4 fa nandainga tamin’ Andriamanitra izy . Inona no dikany ? Andriamanitra ny FANAHY MASINA . Tena foto-pinoana lehibe izany ka ifikiro fa aza mety rebireben’olona .Misy ny olona izay mandà ny maha- ANDRIAMANITRA ny Fanahy Masina . Eto anefa dia hitantsika fa efa tamin’ny andron’ny Apostoly mihitsy no efa ninoana izany . Izany no inoantsika an’ Andriamanitra tokana : « ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Mat 28.19).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8