Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Mey 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 5.12-24
12 [Ny fahagagana nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona; 13 ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka. 14 Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; 15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy. 16 Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra. 17 [Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy, 18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina. 19 Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe: 20 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany. 21 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly. 22 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe: 23 Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay. 24 Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 5.12-24
Hafatra mikasika ny Fiangonana no andeha horaisintsika eto :
1-Tsarovy amim-bavaka manokana ny Fiangonana
Ny and 12-16 dia mirakitra takila volamena eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana kristiana. Mivavaha mba hitohy ny herin’ny Fiangonana , ny firaisan-tsain’ny mpino , ny fitomboan’ny Fiangonana misy anao , misy antsika koa ankehitriny . Nahery ny Fiangonana ka nisy ireo fahagagana sy fanasitranana samihafa , nefa variana tamin’izany ny olona fa tonga tamin’ny finoana tokoa (and14), dia nitombo ny Fiangonana ary niray saina tsara.

2-Tsarovy fa ny Fiangonana nijoro tsy maintsy misy mpanenjika
Nandroso ny Fiangonana , dia nialona azy ireo lehiben’ny Jiosy (and17). Io fialonana io no efa nahatonga ny fififoana ho faty an’i Jesoa (Mar 15.10). Nogadrainy ny Apostoly , ny anjely kosa namoaka azy ireo . Izany no tokintsika , na dia eo aza ny mpanenjika . Momba antsika ny Tompo . Manavao ny iraka ampanaovina antsika mpitory ny Filazantsara ny Tompo (and 20). Ny mankato izany no anjarantsika (and21). Na dia vao avy nogadraina aza dia roso ihany fa tsy manahy . Izany no ilain’ny Tompo amintsika . Koa manàna fahasahiana!
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8