Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Mey 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 5.25-42
25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona. 26 Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato. 27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy 28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany. 29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. 30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo. 31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] 32 Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy. 33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy. 34 Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo. 35 Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo. 36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona. 37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy. 38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana; 39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo. 40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha. 41 Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany. 42 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 5.25-42

Lesona 3 lehibe no hianarantsika eto:

1-Andriamanitra no tokony ekena mihoatra noho ny olona (and29)

Tena faharesen-dahatra fototra takiana amintsika kristiana rehetra amin’ny zavatra rehetra izany : ao an-trano manoloana ny vady aman-janaka, any am-piasana , manoloana izay mety ho lehiben’ny tena , na eo amin’ny firenena , manoloana ny manam-pahefana , ao am-piangonana manoloana ireo ambaratongam-pitondrana na mpanankarena .

2-Fifaliana no tokony haseho raha mijaly noho ny amin’i Jesoa (and41)

Izany no voalaza eo : »Ary ireo dia niala teo anatrehan’ny Synedriona sady faly , satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany » . Mazana isika no tsy mba toy izany , nefa tena hafatr’i Jesoa izany , araka ny Mat 5.11-12. Ny fanontaniana kosa anefa dia izao : tena noho ny amin’i Jesoa ve no nanenjehana antsika ?

3-Ny Diakona : vavolombelona mahery

I Stefana no resahina manokana eo amin’ny and 8-15 . Stefana , iray amin’ireo diakona 7 lahy io ,feno fahasoavana sy hery izy (and8), ka na nisy aza nitsangana ka niady hevitra taminy (and9) dia tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo (and10). moa tsy diakona mahajoro amin’ny finoana toy izany no tena ilaintsika koa ankehitriny ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8