Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Mey 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 87.44-60
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 87.44-60
Hitantsika eto ny faran’ny tantaran’i Stefana.
1-Stefana : sahy miteny
Ny and 51 dia nilazany mahitsy hoe: « Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina ». Teny masiaka izany , saingy sahiny notenenina noho ny Fanahy Masina mampiteny azy (and 55). Enga anie ho feno ny Fanahy Masina toy izany koa aho ka hanana fahasahiana masina hampibebaka ny hafa.
2-Stefana : maritiora sambatra
Mariho fa nahatonga an’i Stefana tsy hataho-maty koa ny fahitana hitany : « Indro , hitako ny lanitra misokata ary ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra » ( and 56). Ary zava-niseho ombienieny teo amin’ny tantaran’ny Maritiora izany , toy ny sasany tamin’ireo Maritiora Malagasy izay nahita fiarakodia volamena hitondra azy ho any an-danitra talohan’ny hamonoana azy ka tonga tsy hatahotra ny ho faty intsony «
3-Stefana: nanahaka an’i Jesoa Tompony
Ampitahao amin’ny voalazan’ny Filazantsara amin’ny teny nataon’i Jesoa ireto teny nataony ireto : « Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko » ( zahao Lio 23.46 ) « Tompo ô , aza atao ho helony anie izao » (Zahao Lio 23.34) . Velona ho an’i Jesoa sy nanahaka an’i Jesoa izy .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8