Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 10.1-24
1 [Ny amin'i Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana; 2 ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva. 3 Ary izy nahita miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio. 4 Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera; 6 mitoetra ao amin'i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony. 7 Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro. 8 Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy. 9 Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. 10 Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy 11 ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany; 12 ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka et? an-tany ary ny voro-manidina. 13 Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. 14 Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. 15 Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. 16 Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra. 17 Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin'i Kornelio nanontany ny tranon'i Simona ka nijanona teo am-bavahady, 18 dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia. 19 Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao; 20 fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy. 21 Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo at?? 22 Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao. 23 Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa. 24 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 10.1-24

Fampianarana roa samy sarobidy no atolotra antsika eto:

1-Sarobidy ny fiainam-bavaky ny raim-pianakaviana (and1-8)

Raim-pianakaviana faka tahaka i Kornelio . Tsy mba Jiosy anisan’ny firenena voafidy izy fa Romana. Tsy mba hoe: fianakaviana mpisorona na toy izany izy, fa miaramila izay malaza ho mahery setra (and1). Izao anefa : » mpivavaka tsara sady matahotra an’ Andriamanitra  » no ilazana azy eto. Ary nahataona ny « ankohonany rehetra » hivavaka izy (and2). Vokany : namangy azy ny lanitra (and3). Mba ho toy izany anie ny aim-pianakaviana rehetra ka hotahiana ny ankohonana rehetra.

2-Sarobidy ny feon’ Andriamanitra (and9-25)

Ny feon’ Andriamanitra tonga tamin’i Petera dia nanafaka azy ny amin’ny hoe: biby maloto andaniny , ary ny fanavakavahana teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa koa ankilany . Ny antony : rehefa Andriamanitra no manadio , tsy misy intsony ny maloto. Manampy antsika hihoatra ny adihevitra ny amin’ny fihinanana na tsia ny henkisoa , ohatra izany ary mitaona antsika hanaiky ny fandravan’ Andriamanitra ny tarazom-piaraha-monina niteraka fanavakavahana eo amin’ny foko , firazanana, firenena samihafa . Henoy ny feon’ Andriamanitra.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8