Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 15.22-41
22 Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona* mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy; [* Gr. presbytera] 23 ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia. [* Gr. presbytera] 24 Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy, 25 dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankat? aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay, 26 lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika. 27 Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy. 28 Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: 29 dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo. 30 Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily. 31 Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara. 32 Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy. 33 Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy. 34 * [* Ampio hoe: 34 Nefa mbola sitrak'i Silasy ny hitoetra ao] 35 Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa. 36 [Ny niaingan'i Paoly fanindroany hitety vohitra tany Asia Minora] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany. 37 Ary tian'i Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. 38 Nefa nataon'i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin'ny raharaha. 39 Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an'i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy. 40 Fa Paoly kosa nifidy an'i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin'ny fahasoavan'ny Tompo izy. 41 Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 15.22-41

Tsara ny mahita vahaolana amin’ny zava-manahirana , fa mbola tsara lavitra ny mahay manatanteraka izany . Ahoana no nataon’ny Apostoly ?

1-Nampandriana an-tsoratra ny vahaolana hita

Nanao taratasy izy ireo , niraketana ny fanapahankevitra natao ho famahana ny olana nitranga. Tsy taratasy nilaza hevitra fotsiny anefa fa fanehoam-piombonana tamin-dry i Paoly sy ny asan’ Andriamanitra nataony koa. Naseho tsara koa ny hoe: « sitraky ny Fanahy Masina sy izahay » (and28).

2-Nanendrena olona hanatanteraka ny hevitra tapaka

Dia notendrena i Joda sy i Silasy hiaraka tamin’i Paoly sy i Barnabasy handeha hitondra ny taratasy tany amin’ireo mpino , ka « nony efa namaky izany ny olona dia nifaly noho ny anatra tsara » (and31). Tratra ny tanjona dia ny filaminan’ny Fiangonana .

3-Tandremo anefa !

Voavaha ny olana iray , fa nipoitra indray ny hafa . Ny and 36-41 dia takila mampalahelo indrindra amin’ny fitantarana ny dia misioneran’i Paoly . Nifanditra mafy ny samy mpitory ny Filazantsara ary indrindra , nisaraka mihitsy . Tsy afenin’ny Soratra Masina izany mba ho fampitandremana antsika sy mba hiambenantsika , fa ho fampaherezana antsika tsy ho kivy koa raha tojo ny toy izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8