Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 16.1-15
1 Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa* rainy - [* Gr. Grika] 2 ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy. 3 Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa* rainy. [ Gr. Grika] 4 Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona* tany Jerosalema. [*Gr.presbytera] 5 Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro. 6 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia 7 ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy. 8 Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy. 9 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay! 10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any. 11 Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia. 12 Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana*; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [* Gr. kolonia] 13 Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. 14 Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly. 15 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 16.1-15
Zava-baovao 3 no hitantsika eto:
1-Fandrarana vaovao :
Tena mahagaga antsika ny mamaky hoe: « noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory teny » (and 6) sy « tsy navelan’ ny Fanahin’i Jesoa handeha » hitory tany Bytinia ry i Paoly . Olona handeha hanao tafika masina ve dia horarana ? Eny , izany no mampianatra antsika fa ny Fanahy Masina no lehiben’ny tafika masina . Mahay mankato Azy ve isika ?
2-Toerana vaovao
Ity fiampitana nanakany Makedonia ity (and10) no nanamarika ny fidiaran’ny Filazantsara tany Eropa izay nanjary foiben’ny fiangonana kristiana taty aoriana . Tena fiitaran’ny ambaindain’ny Filazantsara izany ;
3-Olona vaovao
Olona vaovao roa no hitantsika eto , dia i Timoty (and1-3) sy i Lydia (and14-15). I Timoty dia fantatsika amin’ ny fisian’ny Epistily roa nosoratan’i Paoly ho azy , fa tonga mpiara-miasa akaiky tamin’i Paoly ary lasa mpitondra fiangonana mihitsy aza. I Lydia indray dia voalaza hoe: « ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny » (and14) ary dia nahazo ny satroboninahitry ny vehivavy Eropeana kristiana voalohany . Ary mahafaly fa tsy izy irery fa izy sy ny ankohonany (and15).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8