Fandalinana ny ASAN’ny APOSTOLY
Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Jolay 2019
Asan'ny Apostoly 27,1 - 20
1 [Ny nitondrana an'i Paoly nankany Roma, sy ny zavatra nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto. 2 Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika. 3 Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy. 4 Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra. 5 Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia. 6 Ary tao no nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay. 7 Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay; 8 ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea. 9 Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana*, dia nananatra azy Paoly [* Ny Andro Fanavotana izany] 10 ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza. 11 Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly. 12 Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana*. [*Na: mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana] 13 Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta. 14 Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona. 15 Ary raha nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy. 16 Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda* nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; [* Na: (Klaoda)] 17 ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo*, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo. [* Gr. Syrtisy] 18 Ary raha nasian'ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso; 19 ary nony ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo; 20 fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.Asan’ny Apostoly 27.1-20
Ho any Italy hiatrika ny fitsaran’i Kaisara i Paoly araka ny fangatahany . Ireto no zavatra nisongandina teny ambony ranomasina :
1-Niavaka tamin’ny olona rehetra tao amin’ny sambo i Paoly (and1-10)
Niavaka tamin’ny fifandraisany tamin’ny olona izy : tsara karakara mihoatra ny mpifatotra rehetra i Paoly (and3) . Niavaka koa anefa izy tamin’ny fifandraisany tamin’ny Tompo . Izy irery no nampahafantarin’ Andriamanitra ny zavatra hitranga eny an-dàlana (and10). Matoa nahita mialoha ny zavatra hitranga izy , dia satria mifandray amin’ Andriamanitra .
2-Ireo zavatra nanakana ny dia
Roa no zavatra nanakana ny dia teny an-dàlana : ao ny voajanahary , ao koa ny olona.Hatrany am-piaingana dia ny rivotra no fahavalon’ity dia ity . Saika nanara-monina hatrany noho ny tahotra ny rivotra ireto mpandeha ireto (and 4.8,16). Tsy ny rivotra ihany anefa no fahavalon’izy ireo , fa ny olona koa. Tsy nino ny tenin’i Paoly ny kapiteny sy ny olona fa niantehitra amin’ny traikefany (and11-12). Tsy tokony ho niala tany Kreta izy ireo araka ny fahitan’i Paoly (and 21), saingy tsy nohenoina moa izy ka fahavoazana lehibe ny vokatr’izany . Ianao koa ! Aza miankina amin’ny traikefa fotsiny rehefa mandeha fa mihainoa ny feon’ Andriamanitra koa.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » : Boky faha-8