Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 18.1-11
1 [Ny nahatongavan'i Paoly tao Korinto, sy ny nampianarany tao herintoana sy enim-bolana] Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto. 2 Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly. 3 Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany. 4 Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. 5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. 6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho. 7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga. 8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. 9 Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; 10 fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho. 11 Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 18.1-11

Fanontaniana roa no miantefa amintsika eto :

1-Mba mahatsiaro « voaterin’ny teny » ve isika ?

Izany mantsy no voalaza fa nahazo an’i Poly eo amin’ny and 5. Voaterin’ny teny izy ka nanambara fa i Jesoa no Kristy . Lafiny roa no azo andraisana izany : mahatsiaro ny herin’ny Tenin’Andriamanitra ka mahatsiaro fa tsy mety raha tsy milaza izany . Etsy ankilany , mahatsiaro ho manana adidy amin’ny olona tsy mahalala ka tery am-panahy hitory an’i Jesoa aminy . Ny fahitan’i Paoly ireo Jiosy mantsy no tsy nahaizany nangina fa tsy maintsy niteny . Ary ianao , mba ahoana?

2-Mba mahay mihaino ny Tompo ve isika?

i Paoly dia sendra ny fanoherana hatrany tamin’ny toerana nalehany . Mety ho nanakivy azy tokoa izany na dia tena nisy aza ny nino .Izany no nisehoan’ny Tompo taminy ka nitenenany hoe: « Aza matahotra , mitenena ihany fa aza mangina » . Eny mety ho kivy na dia ny mpanompon’ Andriamanitra heverina ho mahery aza . Tsy tokony hanamelo-tena ny amin’izany isika . Tokony hihaino ny fampaherezan’ny Tompo hatrany koa anefa isika , dia tahaka ny nitenenany tamin’i Paoly hoe : «  fa Izaho momba anao, manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho » . Enga anie ka hanana ny mason’ny Tompo isika , hahita ireo vokatra maro fa tsy ho hajambenan’ny mpanohitra ny Tompo .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8



Eny , mety kivy na dia ny mpanompon’ Andriamanitra  heverina ho mahery aza. Tsy tokony hana