Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 18.12-28
12 Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana, 13 ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna. 14 Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho; 15 fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany. 16 Ary nandroaka azy hiala teo anoloan'ny fitsarana izy. 17 Ary izy rehetra nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany. 18 [Ny niverenan'i Paoly nankany Antiokia, sy ny nandehanany indray namaky an'i Galatia sy Frygia, ary ny nahatongavany tao Efesosy sy ny nampianarany tao] Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy. 19 Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy. 20 Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy, 21 fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankat? aminareo indray aho, raha sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy. 22 Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia. 23 Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra. 24 Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina. 25 Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany. 26 Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra. 27 Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana; 28 fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 18.12-28
Mpandray anjara 3 no andeha hosinganintsika eto :
1-I Paoly
Paoly mivezivezy , mandeha tsy mahalala reraka no hitantsika eto , mifindrafindra tanana mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy . Ny fanontaniana mby ao an-tsaina rehefa mamaky izany tantarany izany dia izao : mbola misy i Paoly toy izany ve ankehitriny sa tsy ilaintsika intsony ny fisian’ny mpitory ny Filazantsara mandehandeha toy izany , ka tsy mijanona ela loatra eo amin’ny toerana iray toy ny Mpitandrina fahitantsika ankehitriny ?
2-I Apolosy
Fatratra filazana momba azy eto : lehilahy nahay nadahan-teny sady nahery tamin’ny Soratra Masina (and24) . Nafana fo niteny sy nampianatra izy (and25). Niteny tamin’ny fahasahiana izy (and26) . Araa izany dia tena lehilahy manam-pahaizana tokoa i Apolosy . Tsy anisaraka tamin’ny faharanitan-tsainy anefa ny hafnam-pony sy ny hamafin’ny finoany . Izany mantsy no niseho indraindray : rehefa lasa ambony amin’ny fahalalana dia maimaina ny fo ary mihozongozona aza ny finoana . Mivavaha mba hitombo ny « Apolosintsika ».
3-Prisila sy Akoila
Marihantsika manokana izy mivady fa nanana fahasahiana masina « nampianatra » an’i Apolosy avara-pianarana (and 25-26) . Enga anie ka ho maro ny kristiana « tsotra » ho toa azy mivady . Ary enga anie ho maro ny hanana ny fanetretenan’i Apolosy ka hanaiky hampianarin’ny olon-tsotra .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8