Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Talata, faha 18 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY
Asan'ny Apostoly 19.1-22
1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy 2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. 3 Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. 4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. 5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. 6 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. 7 Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra. 8 Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [* Gr. lalana] 10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] 11 Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro, 12 ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy. 13 Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho. 14 Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany. 15 Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? 16 Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra. 17 Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo. 18 Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany. 19 Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. 20 Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny. 21 Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa. 22 Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 19.1-22
1-Ilay Pentekosta fahatelo (and 1-7)
Misy Pentekosta 3 mantsy tantarain’i Lioka ato aminn’y Bokin’ny Asan’ny Apostoly . Ny
voalohany dia ilay tao Jerosalema (Asa 2) : azo lazaina ho Pentekostan’ny Jiosy io . Ny faharoa dia ilay
tany amin’i Kornelio (Asa 10.44-45) Azo lazaina ho Pentekostan’ny Jentilisa io . Ny
fahatelo dia ny Pentekostan’ny mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa . Tamin’ireo dia nisy
fiteny tsy fantatra hatrany . Tsy
izany hatrany anefa no nisy fa na tamin’i Paoly aza
fony vao nino dia tsy
niteny tsy fantatra akory izy (Asa 9). Ny fanontaniana kosa dia zao : efa
noraisinao ve i Jesoa ka nandray ny Fanahy Masina ianao , tonga Zanak’
Andriamanitra ? (Jao 1.12 ;Rom 8.16) .
2-iLay fanasitranana mahatalanjona (and 11-12)
Tena mahagaga ny niseho :
aiza ve ka mosaran’i Paoly avy dia ampy
nahasolo Mpiandry hahasitrana
sy hampivoaka fanahy ratsy ?
Saingy tena nisy tokoa izany haneho amitsika fa velona sy tena mahery ny Jesosintsika .
3-Ilay fahafaham-barakan’ny mpisandoka (and13-16)
Ireo 7 lahy zanak’i Skeva
dia mba naka tahaka ny nataon’i Paoly , kanjo
zava-doza no niseho . Hay
fantatry ny fanahy maloto tsara i Jesoa
. Isika foana no adala manaiky
horebirebeny tsy hahalala Azy .
Fantany koa ny tena mpanompon’i Jesoa .
koa ireo mba nianatra nandroandroaka azy
ireo , nataony nahita faisana :
nitanjaka sy voaratra . Tsy
izany mandrakariva koa anefa no
mety hiseho fa tsarovy izay nolazain’i Jesoa ao amin’ny Mat .22-23. Samia
mailo !
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8