Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Jona 2019

Fandalinana ny ASAN'NY APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 20.17-38
17 [Ny anatra nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon*'ny fiangonana** hankeo aminy. [* Gr. presbytera] [**Gr. eklesia] 18 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany, 19 dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy, 20 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano; 21 ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa* koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika] 22 Ary ankehitriny, indro, tery* am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, [* mifatotra] 23 afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. 24 Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra. 25 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana. 26 Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho. 27 Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra. 28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina*, hiandrasanareo ny fiangonan**'Andriamanitra***, izay novidiny tamin'ny ràny. [*Gr. episkopo] [** Gr. eklesia'] [*** Na: [ny fiangonan'ny Tompo] 29 Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia* masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. [* Gr. lopa] 30 Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy. 31 Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso. 32 Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina. 33 Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho. 34 Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay. 35 Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. 36 Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra. 37 Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy, 38 sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 20.17-38

Famindran-draharaha no nataon’i Paoly eto .

1-Ireo zavatra nafindrany amin’ny olona rehetra hatramin’ny fahatongavany mandra-pialany

Hafakely ity famindran-draharaha ity , satria ny mahazatra rehefa handeha vao manao izany . Eto kosa vantany vao tonga dia manao izany (and 18). Ny Filazantsaran’ny fahasoavan’ Andriamanitra (and 24), ny saina avy amin’ Andriamanitra (and 27) izay nitaomany ny olona hibebaka sy hino an’i Jesoa Kristy (and 21) no zavatra nafindra tamin’izany . Ny olona rehetra tsy ankanavaka no namindrana azy.

2-Ireo zavatra nafindrany amin’ny olona voatokana rehefa hiala izy.

Fahasoavana ( and20-24 ) no nafindra tao amin’ny fizarana voalohany . Eto kosa , dia andraikitra no afindra. Tsy ny olona rehetra no namindrana an’izao raharaha izao , fa ny loholona avy tao Efesosy ihany (and17). Mitandrema (and28) , miambena (and31) ary miasà (and33-35). Izany no baiko napetrak’i Paoly tamin’ny loholona , dia ny hampiasa ny tànany mba hisy hampiasainy (and 34) ka tsy hahavaky tratra ny Fiangonana izy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8