Fandalinana ny ASAN’APOSTOLY
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN’APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 16.16-40
16 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be. 17 Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena. 18 Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy. 19 Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe; 20 ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra 21 ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika. 22 Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy. 23 Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina. 24 Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo. 25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. 26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra. 27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. 28 Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. 29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy. 30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? 31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. 32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony. 33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra. 34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra. 35 Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo. 36 Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara. 37 Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankat? hamoaka anay. 38 Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy. 39 Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna. 40 Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.Fandalinana ny ASAN’APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 16.16-40
Fanontaniana 3 no ndeha hosainintsika eto :
1-Hay ny fanahy maloto mahalala ny marina ?
Ahoana izany ? Izany no hitantsika eto , ilay fanahy maloto tao amin’ilay zazavavy no mampiteny azy hoe : « ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra avo indrindra , izay manoro anareo ny làlam-pamonjena » (and17). Marina ny zavatra nolazainy . Fa isika olombelona indray no jamba eo anoloan’ny fahamarinana mahavonjy .
2-Hay azo atao ny ho faly raha mijaly ?
Natao tao an-tranomaizina anatiny indrindra , rehefa avy nokapohina mafy dia mafy (and 23). I Paoly sy i Silasy sady «ny tongony nobolokoiny mafy tamin’ny boloky hazo» (and24) . Moa tsy fara-fijaliana izany ? Saingy , moa nimonomonona na nitaraindraina izy roalahy ? Tsia ! « Ary nony mamatonalina dia nivavaka sy hira fiderana an’ Andriamanitra i Paoly sy i Silasy » (and25). Ny mpino ihany no mahay izany .
3-Hay hain’ Andriamanitra tokoa ny mampiasa ny zavatra rehetra hanjary fitahiana ?
Ny tranomaizina nidiran-dry i Paoly dia nampodian’ny Tompo ho polipitra fitoriana ny famonjena .31 « Dia hoy izy roalahy : minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao » . Dia nino tokoa ilay mpiandry tranomaizina dia voavonjy izy mianakavy .
« Raiso
ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8