Fandalinana ny 2 KORINTIANA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Septambra 2019
Fandalinana ny 2 KORINTIANA
2 Korintiana 12.11-21
11 Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra* ireo, na dia tsinontsinona aza aho.[*Na: fatratra loatra] 12 Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe. 13 Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin'izany fahadisoana izany. 14 Indro, efa fanintelony izao no vonona hankat? aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an'ny zanany. 15 Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon'ny fitiavako anareo aza no fihenan'ny fitiavanareo ahy. 16 Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin'ny fihendrena. 17 Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena? 18 Nangataka an'i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay? 19 Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo. 20 Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, - 21 eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.Fandalinana ny 2 KORINTIANA
2 Korintiana 12.11-21
Mahatsiaro ho tomponandraikitra voalohany tamin’ny Fiangonana tany Korinto , indrindra ny fiainam-panahin’ny kristiana i Paoly . Mampahatsiaro antsika tomponandraikitra eo anivon’ny Fiangonana koa izany .
1-Tsy hamaky tratra ny Fiangonana(and11-18)
« Indro efa fanintelony izao no vonona hankaty aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo , fa tsy ny fanananareo no tadiaviko fa ianareo« (12.14). Tsy nanery ny olona hanome ho azy i Paoly , raha ny marina dia ny azy indray ary no nolaniana. »Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo , na dia araka ny fitombon’ny fitiavako anareo aza no fihenan’ny fitiavanareo ahy » (12.15). Ho antsika mpanompon’ Andriamanitra , maneke handany sy ho laniana amin’ny asan’ Andriamanitra.
2-Hananatra ny kristiana (and19-21)
Tena ao am-pon’i Paoly ny fiainam-panahin’ny kristiana : miezaka izay hampandroso azy ireo (and19). Amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra anao , manana izany toetra izany ve ianao? Tsarovy fa sarobidy ny andraikitrao. Mitandrema isika kristiana fandrao hisy fifandirana , fialonana, fahatezerana,fifampiandaniana, fifosana, fieboeboana, fikitranana eo amintsika ka tonga alahelo sy fietrena eo amin’ny mpanompon’ Andriamanitra izay natao hiadidy antsika izany . Mitandrema amin’ny fifangaroana amin’ny ratsy (Lio 12/ 1.15,21,8.34/ Heb 12.15/Efe 5.11/Rom 12.16/ 1 Pet 3.8).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8