Fandalinana ny 1 Mpanjaka
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Martsa 2019
Fandalinana ny 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 8.1-11
1 [Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon'ny Isiraely sy ny lohan'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan'i Davida. 2 Dia nivory ho any amin'i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana Etanima (volana fahafito izany). 3 Ary tonga ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara; 4 ary dia nampakariny ny fiaran'i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin'ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo. 5 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany. 6 Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima, 7 fa nivelatra teo ambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony. 8 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin'ny fitoerana masina eo anoloan'ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy. 9 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon'i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta. 10 Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona, dia nameno ny tranon'i Jehovah ny rahona; 11 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tranon'i Jehovah.Fandalinana ny 1 Mpanjaka
1 Mpanjaka 8.1-11
Vita soamatsara ny tempoly ary niroso tamin’ny fitokanana azy i Solomona mpanjaka :

1-Fitokanana niombonana no natao . Toa mandeha ho azy ny iheverantsika izany , kanefa manana heviny lehibe ny niantsoan’i Solomona ireo loholona , mpisorona , levita ary ny Zanak’Israely rehetra amin’izao fitokanana ny tempoly izao. Fa tena fampiraisana ny foko 12 izao sady tena fampiombonana azy amin’ny fiorenana amin’ny finoana an’ Andriamanitra tokana dia ny Tompo irery ihany .
2-Fitokanana mamaritra fotoana vaovao izao . Tapitra ny fotoanan’ny trano lay fihaonana nampiasaina tany an-tany efitra . Naman’ny tapitra koa ny fotoana nitondrana ny fiaran’ny fanekena nandehandeha . Izao dia manana fonenana raikitra ny Tompo ary ny tempoly no manambara ny fanatrehany sy ny fiarahany monina amin’ny vahoakany .
3-Fitokanana feno ny fanatrehan’ Andriamanitra izao. Endrey ny fahamasinan’izao fitokanana izao , fa rehefa tafapetraka tao amin’ny fitoerana masina indrindra ny fiaran’ny fanekena misy ny Didy folo , ka nivoaka avy tao ny mpisorona , dia feno rahona ny trano : feno ny fanatrehan’ Andriamanitra . Enga anie mba ho toy izany avokoa ny fitokanana trano fiangonana , ka ny voninahitr’ Andriamanitra no hamirapiratra .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3