Fandalinana ny 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Martsa 2019

Fandalinana ny 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 10.1-13
1 [My namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin'ny fanontaniana sarotra, 2 ka tonga tany Jerosalema izy mbamin'ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao ampony. 3 Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa. 4 Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony 5 sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao* an-tranon'i Jehovah, dia talanjona ter? izy. [Na: ny fanatitra odorany izay nateriny tao] 6 Ka hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao. 7 kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga at?, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko. 8 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao 9 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana. 10 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba ho an'i Solomona mpanjaka. 11 Ary ny sambon'i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira. 12 Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka arofanina tamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany. 13 Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen'i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.

Fandalinana ny 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 10.1-13

Nampahatsiahivin’i Jesoa manokana ity tantara ity ao amin’ny Matio 12.42 ka ampianariny antsika fa:

1-Lehibe lavitra noho i Solomona i Jesoa . I Solomona dia nahatalanjona ka nahasintona ny mpanjakavavin’i Sheba ho tonga manatona azy . Ary isika , mba talanjona sy voasintona hanatona an’i Jesoa ve? Fa ambony lavitra noho i Solomona i Jesoa satria ny vokatry ny fanatonantsika Azy dia tsy ahazoam-pahalalana sy ahitam-pahagagana fotsiny , fa andraisam-pamonjena mandrakizay mihitsy .

2-Tokony ho mendrika ilay mpanjaka ny mpanompony. Ny toetoetran’ireo tandapan’i Solomona sy ny fitafiany , dia samy nahagaga ilay mpanjakavavy avokoa Ary isika , izay mpanompon’i Jesoa Ilay mpanjakan’ny mpanjaka , mba mendrika sy hitan’ny olona ho mendri-kaja mifanentana amin’ny voninahitr’i Jesoa ve?

3-Sambatra isika izay manana ny tenin’i Jesoa . Hoy ny and 8 : « sambatra lahy ny olonao , ary sambatra ireto tandapanao ireto , izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao «  . Ny tenin’i Jesoa dia mahasambatra lavitra , araka ny teniny tamin’ilay vehivavy niara-belona taminy hoe: « mainka sambatra aza ny mihaino ny Tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany » (Lio 11.28). Mba mivelona amin’izany mandrakariva ve ianao ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3