Fandalinana ny 1 Mpanjaka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Martsa 2019

Fandalinana ny 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 19.1-10
1 [Ny nandosiran'i Elia nankany an-efitra, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Horeba, ary ny nanendrena an'i Elisa handimby azy] Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra. 2 Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao. 3 Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao. 4 Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy* anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.[Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra] 5 Ary raha nandry natory teo ambanin'ny anjavidy* anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra] 6 Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. 7 Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao. 8 Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra. 9 Ary niditra tao anatin'ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Manao inona at? ianao, ry Elia? 10 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.

Fandalinana ny 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 19.1-10

Taorian’ilay nambarantsika ho fandresena miezinezina , inona no niseho?

1-Romotra ny fahavalo. Nampaniraka  tany amin’I Elia I Jezebela fa hampamono azy . Tsy azontsika  adinoina izany . Aorian’ny asa lehibe ampanaovin’ny Tompo antsika , rehefa avy namely ny fahavalo isika dia hamaly bontana izy . Aoka hiambina lalandava .

2-Nitsoaka i Elia .Lasa nandositra izy.Mampahatsiaro antsika ny hafatr’I Jesoa tamin’ny mpianany ao amin’ny Matio 10.23 izany . Eny ,tsy voatery hifanandrina hatrany amin’ny fahavalo mantsy isika .

3-Kivy i Elia . Mahavariana ny mahita hoe: lehilahy mahery, sahy nifanandrina tamin’ny 450 lahy  ary nandresy .; Izao indray , mamoy fo mangataka ny ho faty izao. Taorian’ny zava-nitranga nanampo angamba I Elia fa mba hibebaka I Ahaba  sy ny vadiny .Saingy , inona no mba notantarain’I Ahaba tamin’ny vadiny :  tsy ny fandresen’ny Tompo , Ilay Andriamanitra marina namaly tamin’ny afo, fa inona?“izay rehetra  nataon’I Elia dia ny namonoany ny mpaminany rehetra  tamin’ny sabatra” (and 1). Tsy navelan’ny Tompo ho resin’ny hakiviana anefa I Elia , nanohana azy tamin’ny sakafo mahagaga izy mba hahafahany mandeha  40 andro sy 40 alina be izao.

Raiso ny Tenin’ Andriamanitra”Boky faha 3