Fandalinana ASAN’ ny APOSTOLY

Mofonaina anio: Talata, faha 28 Mey 2019

Fandalinana ASAN' ny APOSTOLY

Asan'ny Apostoly 8.1-25
1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. 2 Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra. 3 Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina. 4 Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny. 5 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao. 6 Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. 7 Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. 8 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany. 9 Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra; 10 ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe. 11 Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny. 12 Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. 13 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao. 14 Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. 15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. 16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy. 17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo. 18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy 19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana. 20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21 Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra. 22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. 23 Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao. 24 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo. 25 Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.

Fandalinana ASAN’ ny APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 8.1-25

Fampianarana 3 no raisintsika eto:

1-Tandra vadin-koditra amin’ny Fiangonana ny fanenjehana

Maty i Stefana , Maritiora kristiana voalohany , ary nitohy nihamafy hatrany ny fanenjehana. Lesona ho antsika izany mba hampahery antsika raha tojo fanenjehana noho ny amin’i Jesoa , fa efa izany hatrany amboalohany ny fiainan’ny kristiana. Mahereza!

2-Enjehin-ko faty vao mainka velona ny Fiangonana

Mahatalanjona ny fahombiazan’ny fitoriana ny Filazantsara . Ireo mpino « izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny » (and 4). Tsy nampatahotra azy na nampangina azy ireo ny fanenjehana mafy. Ary isika , mba ahoana? Ary jereo fa nambabo olo-maaro ireo mpitory ireo . Andao hivavaka mba hitohy sy hihamaro ny kristiana toy izany, na aiza na aiza alehany dia mpitory ny Filazantsara hatrany izy.

3-Mila fahaizana tsara ny olona vao manolo-tena

Hitantsika amin’ny nataon’i Simona teto fa mety hisy olona olona vao nanolo-tena ho enti-kafanampo ka hanaotao foana. Tsy maintsy tezaina tsar izy ireny hahalala fa tsy vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra . Tsara ny fialana amin’ny sampy fa tandremana sao manaraka ny farasisany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8