Fandalinana 2 Samoela
Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Febroary 2019
Fandalinana 2 Samoela
2 Samoela 18.19-31
19 [Ny nandrenesan'i Davida ny nahafatesan'i Absaloma sy ny hamafin'ny alahelony azy] Dia hoy Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin'ny fahavalony. 20 Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin'ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao. 21 Ary hoy Joaba tamin'ilay Kosita: Andeha, ambarao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan'i Joaba, dia lasa nihazakazaka. 22 Fa Ahimaza, zanak'i Zadoka, dia mbola niteny tamin'i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona? 23 Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin'ny lalana eny amin'ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an'ilay Kosita. 24 Ary Davida nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin'ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka. 25 Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy. 26 Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy. 27 Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza, zanak'i Zadoka, no fihazakazak'iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany. 28 Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin'ny mpanjaka tompoko. 29 Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin'ny nanirahan'i Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony. 30 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo. 31 Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin'izay rehetra nitsangana hikomy aminao.Fandalinana 2 Samoela
2 Samoela 18.19-31
Mpihazakazaka roa no asehon’ny tantara antsika eto:
1-Ilay Kosita. Izy dia nandeha satria nirahin’i Joaba, ary nony tonga teo amin’i Davida dia nilaza ankolaka ny nahafatesan’i Absaloma . Hatreto amin’ity ampahan-tantara hitantsika ity dia niteny toy ny fihevitry ny olona rehetra izy: i Absaloma dia nitsangana hiady tamin’i Davida , raha resy sy maty izy , dia fandresena lehibe tokony hahafaly an’i Davida izany . Isika koa dia mety hataon’ny olona fitaovana toy izany ka mitandrema! Ny tsy fantatr’io tovolahy i mantsy dia izao : efa nanafatrafatra mafy ny tsy hamonoana an’i Absaloma i Davida (2 Sam 18.5) , ka tsy vaovao mahafaly azy velively ny handre fa maty izy.
2-I Ahimaza .Izy indray kosa dia iraka nanira-tena. Noraran’i Joaba izy, saingy nisisika mafy handeha hilaza tamin’ny mpanjaka. Tsy fantany ve ilay nanafaran’i Davida tsy hamoanoana an’i Absaloma ? Naninona izy no tsy nihaino an’i Joaba nilaza taminy fa tsy ho mpilaza vaovao mahafaly izy? Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy vao tonga saina fa hay tsy hahafaly ny mpanjaka ny zavatra holazainy ka nandainga izy. Tandremo lahy ny hafanam-po diso toerana toy izany . Mba henoy ihany ny tenin’olon-dehibe , fa aza taitaitra foana hihazakazaka amin’izay hahavoa ny tena (Tsarovy ny 1 Pet 5.5).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3