Fandalinana 1 KORINTIANA
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Septambra 2019
Fandalinana 1 KORINTIANA
1Korintiana 16.1-24
1 [Ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona malahelo tany Jerosalema. Teny farany sy fanaovam-beloma] Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia. 2 Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako. 3 Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema. 4 Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo. 5 Hankat? aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho - 6 ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako. 7 Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo. 8 Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta; 9 fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. 10 Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. 11 Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga at? amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho. 12 Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankat? aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany*; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. [* Na: saingy tsy sitrapon'Andriamanitra ny handehanany ankehitriny] 13 Miambena* ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [* Gr. miareta tory] 14 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana. 15 Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, 16 mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo. 17 Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; 18 fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny. 19 Manao veloma anareo ny fiangonana at? Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony. 20 Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. 21 Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma. 22 Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona* izy. Maran ata**. [* Gr. anatema] [** Maran ata = Avy ny Tompontsika (?)] 23 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo; 24 ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.Fandalinana 1 KORINTIANA
1Korintiana 16.1-24
Omen’ny Soratra masina toromarika ho amin’ny toetra marina maha-kristiana miandry an’i Kristy isika eto:
1-Manao asa soa sy fiantrana ho fanampiana ny hafa.
Fanohanana ara-bola indrindra ho an’ny olona masina izay voatokana ho amin’ny asan’ Andriamanitra no ambaran’i Paoly eto. Ho any Jerosalema no handefasana ny fanampiana . Asain’ Andriamanitra ianao hanampy ireo fiangonana any lavitra izay sahirana mila ny fanampianao , fa aza variana ao anatiny ihany fa jereo ny hafa, tohano izy , entano ny namanao hiara-hiasa hanohana ny hafa (Jak 2.17-26).
2-Aza kivy na mitsahatra amn’ny asan’ Andriamanitra na dia maro aza ny manohitra anao
« Fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa nefa maro ny mpanohitra » (1 Kor 16.9). Ny asa tsara maro fahavalo nefa aza kivy ( Asa 26.16/ Mat 10.22 /Jao 7.7 /Jao 15.18) « mba hanao soa , mba hanan-karena amin’ny asa tsara , hazoto manome sy miantra » (1 Tim 6.18).
3-Aza mampahory ny mpanompon’ny Tompo
Nananatra ny kristiana i Paoly mba tsy hampahory an’i Timoty . Tandremo izany , aza miombona amin’ny mpanao ratsy ary sakano izany ( and 10-11,15.16).
4-Miambena , tomoera tsara , aoka hatanjaka amin’ny finoana ka mahereza (and13)
Zava-dehibe ho enti-miasa ny FITIAVANA (and14). Mahaiza mankasitraka (and18b) . Tandremo ! voaozona izay tsy tia ny Tompo (and22). Ho avy tokoa i Jesoa !
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8