Fanajana sy Fitiavana ao amin’ny Ankohonana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Febroary 2025

Sal 103. 1-5 / Hira 3: 1 / Mofonaina / Vavaka

Efesiana 6,1 - 4
1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. 2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), 3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16). 4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.

Mitodika amin’ny ankohonana rehetra ny Tenin’Andriamanitra anio ka mampianatra, fa ao amin’ny Tompo:

Izao no voasoratra: « Anaka, maneke ny ray sy reninareo ao amin’ny Tompo« . Azo andikana io teny hoe maneke io koa ny teny hoe mankatoava, raha hitarina kokoa dia hoe mihainoa anatra fa aza mikiribiby raha atoro na ahitsin’ny ray aman-dreny, ny antony dia tsotra, satria ny ray aman-dreny matoa miteny sy mananatra dia mikendry ny hahasoa sy hahatsara ny hoavin’ny zanany. Tsy misy ray aman-dreny manolo-bato mafana ny zanany (Mat 7. 11) na oviana na oviana. Ary ambonin’izany, dia ambara eto koa fa loharanom-pitahiana (mahela velona) ny fanajana ray aman-dreny, didin’ Andriamanitra rahateo izany (Eks 12.20; Deo 5. 16); koa andeha ankatoavina.

Hoy i Paoly hoe: « Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy« . Tsy hanampatra fahefana amin’ny zanany akory no andraikitry ny ray aman-dreny, na hanao didiko fe lehibe; koa raha nisy nampalahelo ny zanakao izay teny sy fihetsika nataonao dia aza misalasala mifona aminy, satria mety mba diso amin’ny zanany koa ny ray aman-dreny. Fa andraikitra apetraka amin’ny ray aman-dreny indrindra koa ny manafay ny zanany (Oha 19, 18) mba hanitsiana ny diany ary hisakanana azy tsy hizotra mankany amin’ny fahaverezana; koa tsy tokony hikenakena zanaka isika, fa tena porofom-pitiavana lehibe ny famaizan-janaka. Fitaizan’ Andriamanitra ny zanany teo amin’ny tantara izany (Bokin’ny Mpitsara, Fahababoana…), ary faka tahaka ho antsika koa!

Hatraiza ny fampiharanao (-nareo) ireo hafatra roa loha ireo?