Fanahy Masina sy ny olom-boafidy
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Mey 2024
2 Timoty 1.6-18
2 Timoty 1.6-18
6 [Famporisihana an'i Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra. ] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako. 7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. 8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra, 9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; 10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay; 11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra*. [* Na: [mpampianatra ny jentilisa] 12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy] 13 Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko. 14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika. 15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena. 16 Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; 17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita 18 (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.Fanahy Masina sy ny olom-boafidy
Ny Mampahery an’i Timoty noho ny asa fanompoana nifidianan Andriamanitra azy i Paoly Apostoly. Nomena ny Fanahy Masina izy, antoka ho amin’ny andraikitra raisiny izany.
1- Tsy kisendrasendra ny maha olom-boafidy
Hoy ny and.9: «Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany…». Mifamatotra amin’ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy ny fifidianana olona ho amin’ny anjara fanompoana manokana. Namonjy sy niantso ny olona tamin’ny finiavany sy fitiavany Andriamanitra. Ny fifidianana dia efa vita mialoha, anjaran’ny olona ny manaiky izany noho ny asan’ny Fanahy Masina nomena tamin’ny fametrahan-tanana. Olom- boafidin’ Andriamanitra ianao, novonjeny ianao, nofidiny hanao asa manokana eo amin’ny fiaraha-monina misy anao, ekeo ny asan’ny Fanahy Masina, dia mirosoa.
2- Mampijoro hatrany ny Fanahy Masina
Ampahatsiahivin’i Paoly Apostoly eto fa namonjy sy nifidy azy i Jesoa Kristy. Miaritra zava-tsarotra mandrakariva ny mpitory ny Filazantsara. Noho ny finoana sy fahatokiana an’i Jesoa Kristy ilay efa nandresy ny fahafatesana anefa, dia tokony hahajoro hatrany, indrindra fa eo koa ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anaty (and. 12). Mampirisika an’i Timoty hijoro hatrany i Paoly apostoly satria efa nandray sy nomena izany Fanahy Masina izany izy. lo Fanahy Masina mitoetra sy manapaka ny fiainany io no mampahery mandrakariva ny olom-boafidy (and. 14). Manana hery ahafahana miatrika ny asa fanompoana izay nandray ny Fanahy Masina.
Fanontaniana:
Inona no antoka ho amin’ny fahombiazana amin’ny asa fanompoana nifidianana anao? Hazavao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe