Fanahy Masina, hery ho an’ny tompon’andraikitra.
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Mey 2024
Mpitsara 3. 7-11
Mpitsara 3. 7-11
7 [Ny ratsy nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny] 8 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima] 9 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba. 10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima. 11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.Fanahy Masina, hery ho an’ny tompon’andraikitra.
Rehefa nandika ny didin’Andriamanitra ny Zanak’Israely ka nanompo andriamani-kafa dia niaina tao anatin’ny fahoriana. Nitaraina sy nitady vonjy tamin’Andriamanitra izy ireo:
1- Maneho ny famindrampony Andriamanitra.
Noho ny fahotana lalina nataon’ny Zanak’Israely dia niala tamin’ Andriamanitra izy ireo ka nanompo sampy. Tezitra tamin’izy ireo Andriamanitra ka navelan’Andriamanitra hampahorian’i Kosan-risataima (faharatsina, fahotana mihoampampana) izy ireo. Rehefa nitaraina tamin’Andriamanitra kosa anefa izy, dia indro maneho ny famindrampony Andriamanitra. Ny fanendrena an’i Otniela, ilay lehihaly manana ny Fanahin’ Andriamanitra no nanehoany fa mamindra fo indray Izy ka mamerina ny fifandraisana amin’ny olona efa nivadika taminy. Ny famindrampon’ Andriamanitra no nanomezany antsika ny Fanahy Masina, koa mahaiza mandray izany fitiavana izany.
2- Mamonjy ny olony Andriamanitra.
Otniela no notendren’ Andriamanitra hitondra ny fanafahana sy famonjena ny Zanak’Israely amin’ny fatoran’ny faharatsiana sy fampahorian’ny fahavalo, ka hamerina ny firenena ho amin’ny fiadanana ao amin’Andriamanitra indray. Lehilahy tena miavaka i Otniela, fa manana ny fahaiza-manao amin’ny fitarihina ny tafika (Mpits 1. 11-13) kanefa mba ahatanteraka ny famonjena feno dia nomen’ Andriamanitra azy ny Fanahiny. Fanahin’Andriamanitra no hery mampijoro azy ka nandreseny ny fahavalo sy nitondra fahafahana ho famonjena ny olona, ary indrindra ny fiverenana ho amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra indray.
Fanontaniana:
Nahoana no tsy maintsy nomena ny Fanahin’ Andriamanitra izay voatendriny hanao ny asany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe