Fampisainan’ Andriamanitra ny olona ny zava-misy fa:

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Martsa 2020

ASAN'NY APOSTOLY 3.12-21

ASAN'NY APOSTOLY 3.12-21
12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany] 14 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. 18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny. 19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, 20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, 21 Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.

Fampisainan’ Andriamanitra ny olona ny zava-misy fa:

1-Minia tsy  mahalala ny olona
(and 17)

Ny tsy  fahalalana dia tsy  firaharahana ny drafitr’Andriamanitra  nampilazainy ireo Mpaminany (and18). Koa  tokony ho fantatry  ny olona izany , saingy  odiany 
tsy fantatra . Raha ny marina , dia tsy 
tokony  hahagaga ny  olona miitsy 
ny trangan-javatra nisy  teo  anatrehany  
izay nataon’Andriamanitra satria raha  mino  an’Andriamanitra
sy ny heriny izy ireo  dia hanaiky fa
mahavita ny zavatra tsy hain’iza na iza 
io Andriamanitra  io, kanefa  dia tsy te-hahalala fotsiny  izao 
ireto olona ireto  izay isan’ny
nankasitraka ny namonoana an’I Jesoa Kristy 
fa naleony  nandray  olon-dratsy 
ka tsy  mahagaga raha odiany  tsy fantatra izany  zavatra izany .

2-Mitaona ny olona hibebaka anefa ny Tompo (and 19)

Misy  antso 
ataon’I Petera ho amin’ny fiovam-po 
eto,mba ho fanafoanana ny fahotana:”mibebaha
ianareo  ka miverena mba hamonoana ny
fahotanareo “
.Lazain’ny mpahay baiboly fa famaranan-teny  mahazatra  
fanaon’ny Misionera  izany  teny izany , rehefa mandresy lahatra ny olona
hibebaka  izy ireo . Ny  fiovampo 
takina dia fiovana tanteraka avy 
ao anaty  mihitsy , izay  manala ny olona ao amin’ny fahalalana sy
tsy  firaharahana mba ho tonga amin’ny  finoana izay 
mampanantona ny olona an’Andriamanitra.

Fanontaniana :

Atao  ahoana ny olona tsy te hahalala ny herin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM