Fampiononana ho an’ny olona ianjadiam-pahoriana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Febroary 2023

JEREMIA 15;10-18

JEREMIA 15;10-18

Fampiononana ho an’ny olona ianjadiam-pahoriana

ny Tenin’Andriamanitra

Ity and 10-18 dia fitarainana atao amin’Andriamanitra nataon’i Jeremia satria fampahoriana no nataon’ny fahavalony azy ,tsy noho ny toetrany anefa izany fa manao ny asany amin’ny maha-mpitondra ny Tenin’Andriamanitra azy fotsiny izy ho an’ireo mponin’ny Joda ka dia misetra izany fampahoriana izany .Nampitondrain’Andriamanitra teny fambara loza izy ka hatezerana no nandraisan’ireo izany hany ka i Jeremia no nanamparany ny hatezerany .Eto i Jeremia dia mitaraina , kivy ka manome tsiny ny andron’ny fisiany teto an-tany .Ny vontoatin’ny Tenin’Andriamanitra ho fampiononana azy dia izao :

-Fampanantenana fahafahana amin’ny ataon’ireo fahavalo mampahory azy ireo

-Fahasambarana avy amin’ireo fahasoavana ho azony

Rehefa tojo loza sy zava-manjo amin’izay ny fahavalony dia entin’Andriamanitra ireo hifona sy hitalaho aminy noho ny ratsy nataony

Tsy maintsy mitondra fahoriana isika mpanompon’Andriamanitra izay irahiny hitondra ny teniny , satria hoy i Jesoa ao amin’ny Matio 10.22 :  » ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako ». Mety handalovana alahelo na hakiviana , kanefa aza manary toky fa tsy miova ny Andriamanintsika . Io no Andriamanitra nitarainan’i Jeremia io ihany no mbola Andriamanintsika ankehitriny .

Fanontaniana :

Efa tezitra tamin’olona ve ianao tamin’ny Tenin’Andriamanitra izay nentiny ka notoriana taminao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM