Fampanantenana ho an’ny Mpanompo Marina
Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Jolay 2024
1 Tantara 17.1-14
1 Tantara 17.1-14
1 [Ny nanirian'i Davida hanao tempoly, sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany] Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay! 2 Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao. 3 Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe: 4 Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako; 5 fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely] 6 Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo? 7 Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko. 8 Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao. 9 Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha 10 sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao*.[Heb. hanao trano ho anao] 11 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany; 12 dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay. 13 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao; 14 fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.Anankiray amin’ny fampanantenana mahatsiriritra ataon’Andriamanitra amin’ny olona ity nataony tamin’i Davida ity, ary hahazoantsika mandray hafatra hoe manompoa an’Andriamanitra dia: marina
1- Izy no hanolo-tsaina anao (and 4)
« Tsy ianao no hanao trano hitoerako… » hoy ny nampitain’i Natana mpaminany tamin’i Davida. Na dia teo aza ny faniriana sy firehetam-pon’i Davida ary ny fikasany hanorina Tempoly ho an’Andriamanitra dia, tsy nihazakazahany avy hatrany akory izany, na dia teo am-pelatanany aza fahazoa-manao sy ny hoenti-manana, ary ny olona azony ampiasaina hanao izany Tempoly izany. Saingy nataon’i Davida ho laharam-pahamehana ny fihainoana an’Andriamanitra ka dia nahazo tolo-tsaina hendry ny amin’izay tokony sy tsy tokony hataony izy. Taomina kosa isika, alohan’ny zavatra rehetra hataontsika mba hanontany ny hevitr’Andriamanitra aloha, fa tsy handeha amin’ny saim-pantatra fotsiny.
2- Izy hitahy ny taranakao (and 11)
« Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray izay mandimby anao…ka hampitoeriko ny fanjakany » hoy ny teny fampanantenan’Andriamanitra ho an’i Davida. Hitantsika eto fa rehefa manompo an’Andriamanitra marina tokoa ny olona, dia tsy izy tenany ihany no heverin’Andriamanitra fa hatramin’ny taranany koa, ary ny an’i Davida aza eto dia ny fanjakany mihitsy no voahazona. Fantatsika tsara fa tanteraka tao amin’i Solomona io fampanantenana io, ka sady nahatsangana Tempoly izy no nampamirapiratra ny fanjakana ihany koa. Ary mbola ny taranak’i Davida no nipoiran’ny Mesia, dia i Jesoa Kristy.
Fanontaniana :
Inona no efa nampanantenain Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe