Famindram-pon’Andriamanitra sy fampodiana ny olony

Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Jona 2025

(Sal 86. 11-17/Hira 194: 1/ Vavaka/Mofonaina/Vavaka/HF-33: 1)

Ezekiela 39.25-29
25 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin'ny anarako masina Aho. 26 Dia mba hahatsiaro* ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,[Heb. hitondra] 27 rehefa ampodiko avy any amin'ny firenena izy ary angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason'ny jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny; 28 dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza. 29 Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.

Mialoha ny hidirana amin’ny toko 40, izay miresaka ny fahitana ny Tempoly vaovao, dia mamintina ny hafatra efa nentiny aloha ny bokin’i Ezekiela eo amin’ny and.23-29. Tafiditra ao anatin’izanyny mofonainantsika. Fanontaniana telo no voavaly ao:

Hamindra fo: << Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin’ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin’ny anarako masina Aho. » hoy ny Soratra Masina. Hitantsika eto fa na dia niodina sy niala tamin’Andriamanitra aza ny olony dia tsy foiny na ariany fa mbola ampanantenainy famindrampo raha mibebaka ka miverina Aminy amin’ny fony manontolo.

Fampodiana: << rehefa ampodiko avy any amin’ny firenena izy ary angoniko avy any amin’ny tanin’ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason’ny jentilisa Aho amin’ny ataoko amin ‘ireny ». Ezekiela dia mpaminanin’ny fahababoana. Miharihary eto fa vonona Andriamanitra hampody ny Jiosy, ary maneho fa tsy resy Izy; satria ny Jiosy dia nihevitra fa resin’i Mardoka Jehovah ka tsy misy famonjena azo antenaina intsony intsony!

Tsy hanafina ny tavany: <<Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin’ny taranak’Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo. » (and 29). Mihasinkasina eto fa vonona hiara-monina amin’ny olona Andriamanitra, ka tsy ho lavitra na nanadino araka ny niheveran’ny Jiosy babo azy tsy akory, izany no hevitry ny hoe tsy hanafina ny tavany intsony Andriamanitra. Fa ambonin’izany, homeny koa ny Fanahiny.

Fanontaniana: Ahoana ny fahatsapanao izany famindram-pon’Andriamanitra?