Famelan-keloka sy fiorenan’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Febroary 2025
Sal 32, 1-2 / Hira 167: 1,2 / Mofonaina / Hira 295 : 1,4
1 Jaona 2. 12-14
12 [Fananarana mba tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara ao amin'i Kristy] Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany. 13 Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. 14 Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.Natanjaka ny Fiangonana satria mbola velona ny Apostoly. Nisy ihany koa ny fampianaran-diso hanoherana ny finoan’ny Kristiana. Mampianatra i Jaona ka mampatsiahy izay tokony iveloman’ny mino. Ary mampahery amin’ny teny sao:
1. Manadino ny famelan-keloka efa azony (And.12)
Izay manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy dia voavela heloka. Izany no vontoatin’ny fahatongavan’i Jesoa tety an-tany sy fototry ny Teniny rehetra ary nambaran’ny mpianatra. Mbola natanjaka anefa ireo fandemen-tsaina nahazo ny olona ka niteraka fisalasalana tamin’izany. Koa ny teny toriana no fitaovana ifampaherezana fa izay mino an’i Jesoa dia mpanota voavela heloka. Aza avela hisy hahasaraka antsika amin’ny famonjen’i Kristy Jesoa fa azo antoka izany.
2. Mivaona amin’ny Tenin’Andriamanitra (And.14)
Ny Tenin’ Andriamanitra irery ihany no fanalahidin’ny fisalasalana rehetra. Ary ao amin’ny teniny no ampahalalany ny sitrapony. Ny olona mitoetra sy mandala ny teny dia mahery satria tafaorina tsara ny finoany ka tsy voahozongozona. Ny teny hoe mitoetra mantsy dia anehoana zavatra iray tsara fototra sy mafy orina ka tsy mihetsika intsony. Jesoa no ilay vatolampy fototry ny teny izay inoantsika. Izay miantehitra Aminy dia tsy misy mahazera satria tsy miova ny heriny.
Ilay ratsy dia mitady ny hevitra rehetra izay hanakorontanana antsika tsy hiorina tsara ao amin’i Jesoa. Tsarovy fa ny heloka vitatsika dia efa navelan’ny Tompo. Koa aza misaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra fototra iorenan’ny finoana velona.
Fanontaniana:
Tsapanao ary tsaroanao ve ny hasarobidin’ny famelan-keloka omen’ Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny Teniny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe