Famantarana ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Novambra 2023
Joba 36.26-33
Joba 36.26-33
26 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany. 27 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany, 28 Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be. 29 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy? 30 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany. 31 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka. 32 Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony*;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana] 33 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.«Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ondry koa aza milaza ny hihaviany» (Job 36.33) « Manambara ny fiavian ‘ny orana ny kotroka; ka na ny biby fiompy koa dia mahatsapa izany » (DIEM) Ho avy ny Tompo ! mba fantatrao ve ? Indro lehibe Andriamanitra ka tsy takatry ny saintsika lzy. Fa ny fiaviany kosa dia efa nambarany ombieny ombieny tamintsika. Jesoa no efa nanambara izany mivantana, araka ny voasoratra hoe: «Áry Izy nanao fanoharana taminy hoe : Jereo ny aviavy sy hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo. dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka zany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa dia akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. » (Lio 21.29-31).
Famantarana maro no hiseho mialoha ny fiavian’ ny Tompo. Koa samia miomana isika. Tsy ambaka ny biby fiompy isika satria nomen’Andriamanitra fahendrena avy Aminy. Fa saingy variana isika eto amin’ity izao tontolo izao ity. Hajambain ‘ny andriamanitr’ izao tontolo izao isika ka tsy mahita ireny famantarana efa manambara ny fiavian’ny Tompo. Dia tonga ambaka noho ny biby isika. Hoy ny Tompo : «Ho avy faingana Aho, tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. » (Apok 3.11)
Fanontaniana :
Mba tanisao hoe ireo famantarana efa hitanao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM