Fahendrena sy fanetren-tena ho amin’ny fiainana sambatra rehefa mihaino ny torohevitra avy amin’ny olona manam-pahendrena

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Jolay 2024

Ohabolana 8. 32-36

Ohabolana 8. 32-36
32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; 33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà. 34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. 35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah; 36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.

1- Minoa anatra (and 33a)

Taomin’ny olon-kendry isika eto hahatakatra fa antoka hahitan’ny olona fahombiazana sy fahasambarana ny fananana fanetren-tena hihaino sy handray ny fanitsiana na ny torolalana avy amin’ny olona manam-pahendrena sy efa nahita traikefa maro tamin’ny fiarahan-dia tamin’Andriamanitra. I Solomona no voalaza fa nanoratra ny bokin’ny Ohabolana. Solomona izay fantatsika ny tantarany ary ampahatsiahivina eto raha sendra adinodino fa raha nasain’Andriamanitra hangataka izay zavatra tiany izy tsy vola aman-karena na fisondrotam-boninahitra ny notadiaviny fa fahendrena no nangatahiny homen’Andriamanitra azy. lanao koa, mba minoa anatra fa matoa taomina ho amin’izany ianao, dia ny mba hahasambatra anao no kinendry.

2- Hendre (and 33b)

Mifameno amin’ny hoe minoa anatra ny hoe hendre, voalaza eto. Raha ny marina dia antso ataon’ny olon-kendry mba hanahafana azy ity teny hoe hendre ity, ary raha halalinina kokoa aza, dia ny fahendrena mihitsy no miantso ny mba hananana azy. Raha ny bokin’ny soratra no henoina dia milaza hoe: « ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena » (Sal 111. 10; Oha 9. 10). Taomina ary isika mba hanam-pahendrena, hananantsika fatahorana an’Andriamanitra. Ary tsy iza akory izany fahendrena izany fa i Jesoa Kristy, izay voalaza rahateo fa fahendren’Andriamanitra (1 Kor 1. 24). Koa Raiso i Jesoa Kristy hananantsika fahendrena, dia ny fahendrena avy any ambony.

Fanontaniana

Ahoana ny fandraisanao izany anatry ny olon-kendry izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe