Fahazavana sy famonjena ho an’ny olona ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 09 Aprily 2024
Salamo 27.1-6
Salamo 27.1-6
1 [Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako? 2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. 3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. 4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. 5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. 6 Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.1- Fahazavana sy famonjena ho an’ny olona ny Tompo
Hita eto ny fahatokina tanteraka an’ Andriamanitra, manoloana ny zavatra mety mihatra amin’ny olona eto amin’izao fiainana feno faharatsiana izao. Heverina fa tena zava-dehibe izany satria noho ny zava-misy dia very fanantenana ny olona, tahaka ny valala voatango, hoy ny fitenenana, ka tsy tanana handrangotra na tongotra hitsipaka manoloana ny zava-tsarotra atrehany eo amin’ny fiainana. Ambaran’ny mpanao Salamo anefa fa fahazavana sy famonjena Andriamanitra eo anatrehan’ny zava-mitranga mamatotra sy mampijaly ary mety mamono ny olona. Inona tokoa moa no misy eo amin’ny fiainan’ny olona? Noheverina fa ho tsara sy hihatsara ny fiainana eo amin’ny fiaraha-monina araka izay nampanantenaina ny maro saingy ny mifanohitra amin’izany anefa no misy. Eo anatrehan’izany dia mampianatra sy milaza eto ny mpanao Salamo fa afaka mamonjy ny olona ny Tompo. Manana hery sy fahefana ho amin’izany izy ka mila mino sy matoky Azy ny olona tra-pahavoazana, ary mahay mametraka ny adiny eo Aminy (jereo Sal 50. 15).
2- Fiarovana ho an’ny olona ny Tompo
Hoy ny Malagasy manao hoe: « Aleo misoroka, toy izay mitsabo », Ny fiarovana izany dia atao amin’ny fotoana mbola tsy misy na nona na inona mitranga toy ny hoe arovana amin’ny aretina ny tena, mbola tsy marary akory fa misy fiarovana atao sahady mba tsy ho voan’ny aretina ny tena, Tahaka izany koa ny olona eo anatrehan’ny Tompo: aza miandry ho voa fa meteza harovan’Andriamanitra avy hatrany manoloana ny zava-dratsy maro samihafa eto amin’izao tontolo izao manimba ny olona.
Fanontaniana:
Mbola afaka mamonjy sy miaro ny olona ve Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe