Fahazavana Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 02 Aprily 2024

Jaona 1.1-13

Jaona 1.1-13
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy] 6 Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. 7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. 8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy. 9 Tao ny tena Mazava* Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao**. [*Na: Izy no tena Mazava] [**Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao] 10 Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. 11 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. 12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] 13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.

Fahazavana Andriamanitra

Araka ny hevitry ny teo aloha dia zava-masina ny fahazavana ary ampiasain’ny Soratra Masina ilazana an’Andriamanitra indrindra izany. Tena miavaka to Andriamanitra io satria sady mazava Izy no mitoetra ao amin’ny mazava (Eks 10.1; 1Tim 6.16); mitafy ny mazava Izy (Sal 104) ary tsy misy maizina velively ao Aminy (1 Jao 1.5)

1- Naniraka mpanompo Andriamanitra hanambara ny mazava.

Teny isan’ny misongadina ato amin’ny Baiboly ny momba ny fahazavana, ary araka ny nolazaina teo dia milaza an’Andriamanitra indrindra izany, kanefa tsy notazomin’ Andriamanitra ho azy irery akory fa nomeny hositrahan’ny olona ihany koa; izany hoe tian’Andriamanitra indrindra raha manana sy miaina izany fahazavana izany ny olona. Tsy mety mandeha amin’izao anefa izany fahazavana omena ny olona izany satria misy aizina manodidina azy. Eo anatrehan’izany ary, dia naniraka mpanompo Izy mba hanaparitaka izany, hahatonga ny olona hiaina sy hanana izany fahazavana izany.

2- Andrasana hino ny mazava izay rehetra mandre.
Rehefa ampitaina amin’ny olona àry izany fahazavana izany, manao ahoana ny fiainan’ny olona izany, ny fandraisan’ny olona izany, ay faneken’ny olona izany? Misy mantsy ny fitenenana hoe maizina ampototry ny mazava izany hoe heverina fa miaina amin’izany fahazavana izany ny olona, efa nomena izany fahazavana izany ny olona kanefa dia minia mandeha amin’ny maizina hatrany. Eo anatrehan’izany dia andrasana hiaina ny mazava ny olona amin’ny sehatra misy azy.

Fanontaniana:

Raha lazaina fa fahazavana Andriamanitra, tokony hanahaka Azy amin’izany ve ny Kristiana? Amin’ny fomba ahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe