Fahateraham-baovao
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Septambra 2021
JAONA 3.1-8
JAONA 3.1-8
1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy. 2 Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy. 3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] 4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? 5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. 6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. 7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony] 8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.Fahateraham-baovao
1-Fanasana ny loton’ny nofo
i Nikodemosy dia anisan’ny Fariseo mpikambana téo amin’ny Synedriona.Nahatàlanjona azy ny maha-mpampianatra avy amin’ Andriamanitra an’i Jesoa,ka nahatonga azy hidera Azy. Nilaza taminy ny amin’ny fahateraham- baovao i Jesoa ka nahatonga azy hanontany ny maha- mety Izany. Ny fahaterahana tian’i Jesoa ambara dia fanasana ny loton’ny nofo,izay batisa àmin’ny rano notanterahan’i Jaona .Izay no nahatonga Azy hilaza fa »Raha misy olona tsy ateraky ny rano dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjàkan’ Andriamanitra » .Ny fahotana no antony tsy maintsy hanadiovana n’y olona hahafahany mahita ny fanjakan’Andriamanitra
2-Fandraisana ny Fanàhy Masina
Nambaran’i Jesoa mazava tsara fa tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra mihitsy ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy. Ny batisan’ i Jesoa Kristy dia batisa àmin’ny Fanàhy Masina ,araka ny voalazan’ ny Soratra Masina hoe : » Izay tarihan’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’Andriamanitra » . Ny batisan’ i Jesoa Kristy dia mitarika ny mpino ho amin’ny fihavaozam-piainana,fandraisana hery ho tonga mpiombona amin’ Andriamanitra. Ny Fanàhy Masina no mitarika ny olona tsy hiverina ho amin’ny fahotana intsony ,fa mitarika azy hanana fifamatoram-piainana amin’ Andriamanitra .Oharin’i Jesoa ho toy ny rivotra ny fahateraham- baovao, ny rivotra dia re feo ary hita maso ny vokatra aterany,fa tsy fantàtra kosa izay fiaviany. Araka izany, Andriamanitra mihitsy no mitondra ny fahaterahàm- baovao amin’ny fomba Izay tsy takatry ny saintsika.
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fanomananao ny mandrakizainao ?
Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM