Fahatanterahana ao amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Jona 2020

2 KORINTIANA 13.11-14

2 KORINTIANA 13.11-14
11 Farany, ry rahalahy, mifalia*, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.[*Na: veloma] 12 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. 13 Ny olona masina rehetra manao veloma anareo. 14 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.

Fahatanterahana ao amin’ny Tompo

« Aoka ho tanteraka ianareo , hoy i Paoly . « Miezaha ho tonga lafatra » (DIEM) . Inona ary ny dibgaba hahatrarana izany ?

1-Mifampahery

Zava-dehibe amintsika ny fifampaherezana , satria fiheverana sy fanampiana izay reraka sady hafatra efa nataon’i Jesoa ihany koa izany . « ...Rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao » (Lio 22.32)

2-Miray saina

Toetra iray mampiavaka ny olona nandray ny Tompo ny fiombonan-tsaina , satria iray ihany ny loha dia i Jesoa Kristy Tompo. Kendrena amin’izany ny hitovy tanjona sy sitrapo amin’Ilay mpitarika . Ny mifanohitra amin’izany dia ny fisarahana , izay avy amin’ilay ratsy.

3-Mihavana

Ny firaisan-tsaina eo aloha no mitarika ho amin’ny fihavanana , satria izany no tady mamatotra ho amin’ny firaisan-tsaina . Ny fihavanana no endrika hita mason’ny firaisan-tsaina.

Fanontaniana :

Efa tanteraka ao aminn’y Tompo ve ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM