« Fa raha miara-maty Aminy isika, dia hiara-belona Aminy koa »

Mofonaina anio: Talata, faha 05 Aogositra 2025

(Sal 84.4-7 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 310)

2 Timoty 2,1 - 13
1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. 5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao. 8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako, 9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. 10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; 13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

« Fa raha miara-maty Aminy isika, dia hiara-belona Aminy koa »

Maty ao Aminy mba hiara-belona Aminy isika ka

1- Mandray fampaherezana

« Koa ianao anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana » (and. 1). Mampiomana an’i Timoty i Paoly sady mampahery azy. Mila mitombo hery hatrany amin’ny fanompoana ny mpino; miroso hatrany; mitafy ny fahasoavanan’i Jesoa Tompo. Tsarovy fa ny teny hoe: Kristy Jesoa dia maneho ny fanetren-tenan’i Jesoa: Izy Ilay manana ny anarana ambony noho ny anarana rehetra kanefa nanaiky hidina haka ny toeran’ny « mpanompo ». Izany fanekeny hidina izany dia fianarana ho antsika.

2- Mandray sady mizara ny Filazantsara

« Izay zavatra efa renao tamiko…dia atolory ny olona mahatoky » (and 2): Mahaiza mandray dia mahaiza mizara. Tsy faly mandray fotsiny fa tsy maintsy mampita Ilay Teny Fiainana amin’ny mpiara-manompo. Tsy resaka imolotra ihany fa fiainana maneho fijoroana vavolombelona. Ilaina ny fahamatorana raha tiana ny hampita hafatra feno.

3- Miaritra ny mafy

Niaritra ny mafy tokoa’i Paoly. Ao amin’ny 2Kor 11, 23-33 dia ahitana ny ampahany amin’ireo zava-tsarotra natrehany. Faniriany ny hiombonan’ny mpino fiaretana Aminy fa tsy ho variana amin’ny zavatra eto amin’izao tontolo izao toy ny filan’ny nofo, filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao (1Jao 2, 16).

Fanontaniana :

Hazavao ny maha zava-dehibe ny fananana faharetana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe