« Fa Jehovah no fanazavana anao mandrakizay » (and19) Manavao anao tanteraka Ilay Rain’ny fahazavana.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 24 Aprily 2024
Isaia 60, 18-22
Isaia 60, 18-22
18 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana. 19 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. 20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao. 21 Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra. 22 Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.« Fa Jehovah no fanazavana anao mandrakizay » (and19) Manavao anao tanteraka Ilay Rain’ny fahazavana.
1- Tsy ho re intsony ny fampahoriana anao.
Matetika ny fahavalo no manjaka sy mampahory ny vahoakan’ Andriamanitra. Voafetra ihany izany fa ho avy ny fotoana izay handresena ny asan’ny maizina rehetra.
2- Tsy misy intsony fandravana sy fandringanan anao.
Tanana ravarava, fonenana rotidrotika matetika no vokatry ny fanafihana mihatra amin’ny olom-boafidy. Manam-petra ihany izany, fa ho avy ny mpanavotra. Miasa ny Tompo.
3- Famonjena sy fiderana no manodidina anao.
Ho avy ny fotoana izay hanjakan’ny fifaliana sy fiadanana. Tantara sisa ny fiainana amin’ny tebiteby sy horohoro hatrizay. Mariho fa toromarika omen’ny Tompo antsika ny firavoravoana ao Aminy mba hisitrahana valim-bavaka (Sal 37, 4). Mifaly amin’ny fanantenana ny mpino.
4-Izy no voninahitrao.
« Ary Andriamanitrao no ho voninahitrao » (and19): Fantatry ny Tompo ny ady sarotra sy ny fisedrana izay atrehan’ny mpanompony. Indraindray aza dia ny fahavalo indray no mifaly sy mirehareha. Manome toky ny Tompo fa Izy no ho voninahitry ny mpanompony araka ny Teniny hoe: « Tsy ho fahafatesana no anton’izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra (Jao 11,4).
5-Tapitra ny andro fahalahelovana.
Ny mpanao Salamo aza dia niteny hoe: « Saika solafaka ny diako. raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy » (Sal 73,2-3) Manam-petra ihany anefa izany fa ny eo akaikin’ny Tompo no mahatsara antsika. Minoa fa ho avy ny taona zina.
Fanontaniana
Mitondra inona amin’ny mpino ny fahazavan’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe