Eo anoloan’ny ady sarotra dia :
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Oktobra 2020
ESTERA 4.10-17
ESTERA 4.10-17
10 Fa Estera naniraka an'i Hatàka indray hanao amin'i Mordekay hoe: 11 Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay. 12 Dia nolazaina tamin'i Mordekay ny tenin'i Estera. 13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin'i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka; 14 fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana? 15 Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe: 16 Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty. 17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.Eo anoloan’ny ady sarotra dia :
1-Aza misalasala mangata-bavaka amin’ny hafa (and16a)
Rehefa nifamaly resaka tamin’ny alalan’ny hatàka ,tsindranolahin’ny mpanjaka i Estera sy i Mordekay dia nanaiky ny ho ao amin’ny mpanjaka i Estera , ho fiarovana ny fireneny mba tsy ho ringana . Ny zavatra nangatahiny tamin’ny mpiray firenena taminy rehetra dia ny « hifady hanina mandritra ny hateloana » , izany hoe : hivavaka ho azy .
2-Ianao koa aoka hivavaka (and16b)
Na dia nangata-bavaka aza i Estera dia tsy nionona tamin’izay vavaka nataon’ny mpiray firenena aminy fotsiny fa izy tenany koa dia nirotsaka an-tsehatra , nifady hanina . Nitolona amam-bavaka mba hanavotana ny fireneny sy ny mpianakavy manontolo izy . Ianao koa ,aoka tsy hanantena fotsiny ny vavaka ataon’ny hafa ho anao fa ianao mihitsy , aoka tena hivavaka . Jereo ny nataon’i Jesoa tao Getsemane , na dia nasainy nivavaka aza ny mpianatra dia mba nanao toy izany koa Izy fa tsy niandriandry fotsiny (Lioka 22.46) .
3-Mihetseha amin’ny finoana (and16 d)
Tena soa fianatra ny nataon’i Estera eto . Tsy maika foana hihetsika fa mametraka ny zavatra rehetra eo an-tànan’ Andriamanitra aloha ,mivavaka tsara vao manao zavatra , indrindra raha ady tsy mora no atrehana . Tsarovy fa tsy ampy entinao miady ny ady sarotra lalovanao ny herin’ny tenanao fotsiny , ny toerana misy anao ( eto , amin’ny maha-vadin’ny mpanjaka ) fa mivavaha tsara , avy eo dia miroso amin’ny finoana . Izay no anjaranao fa an’Andriamanitra ny sisa .
Fanontaniana :
Inona tokoa re no ataonao voalohany raha miatrika ady sarotra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM