Eks23 : 1-9

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Septambra 2018

Sahia manohitra ny kolikoly eo amin’ny fiaraha-monina

Eksodosy 23,1 - 9
1 Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza. 2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. 3 Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny ianao. 4 Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany. 5 Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. 6 Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. 7 Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. 8 Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina. 9 Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.

Eks23 : 1-9

Efa afaka tamin’ny fanandevozana ny Zanak’Israely eto , ka efa olona afaka , manome ny fitsipika sy lalàna tokony hiainany kosa Andriamanitra eto. Na dia efa nomena teo aloha tokoa aza ny didy folo (Jereo Eks 20 ;1-17), dia manome antsipirihany kosa ny Soratra Masina eto mba hiatrehana ny fiaraha-monina andavanandro ka :

1-Aza manao kolikoly na dia manao aza ny maro  (and 2)

Ny fitsipika amin’ny antsoina hoe: demokrasia dia izay lazaina sy izay ataon’ny maro no antsoina hoe :marina sy mety, fa eto kosa dia mazava tsara fa na dia manao ratsy aza ny maro, dia tsy tokony hanao izany isika Kristiana. Fandre eny amin’ny Birao sy Sampandraharaha maro tokoa fa ny mpanome tsolotra no atao hoe «mahalala fomba »,fa izay tsy manome tsolotra kosa no kilasiana ho «olona adala sy tsy mahalala ny tokony hatao ». Fa aleo  ho kilasin’ny olona ho adala, tsy maninona, fa ny adalan’izao tontolo izao no hampahamenatra ny hendry.

2- Aza ampijaliana na dia ny vahiny aza (and 9 )

 Misy maro no mahavita mijoro ho vavolombelona rehefa Malagasy mpiray finoana na Fiangonana aminy no mikarakara taratasy dia tsy hakany kolikoly, fa rehefa olona hafa kosa indrindra fa vahiny toy ny Vazaha, Sinoa, Karana,… dia mby ao an-tsaina avy hatrany hoe : itony manambola, itony angaha Malagasy, itony angaha Kristiana , fa aleo hakana kely . Hampahatsiahivin’ny Soratra Masina eto fa tsy tokony hatao izany, ary I Kristy rahateo dia maty ho an’ny firenena rehetra.

Fampieritreretana :

R. Ndrianja, Mpitandrina,

Talen’ny Fitantanana Fananana, Foibe FJKM