Efa nanananao traikefa ve ireo toetran’ i Jesoa voambara ireo? Ifampizarao.

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Jolay 2021

Jaona 10. 1-10

Jaona 10. 1-10
1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. 2 Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry. 3 Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka. 4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. 5 Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny. 6 Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy. 7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry. 8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. 9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. 10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.

Efa nanananao traikefa ve ireo toetran’ i Jesoa voambara ireo? Ifampizarao.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE- FJKM